Politique

Marc Ravalomanana Lotoina vao mainka mamiratra


  • Zoma 28 Aprily 2017

Maro amin’ireo mpifanandrina ara-politika no miezaka mandoto sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana satria tsy mbola nisy nahavita ny vitany aloha hatreto raha samy mpitondra teto Madagasikara.

 Ao anatin’ny tanjany tanteraka i Marc Ravalomanana sy ny Antoko Tiako I Madagasikara misy azy ankehitriny, ka na aiza na aiza toerana aleha sy tsidihiny dia rakotra olona avokoa, izay azo ambara ho efa tandindon’ny ho avy. Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataony manerana an’i Madagasikara. Efa nanomboka ny alahady lasa teo no any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy izy sy ireo delegasionina tarihiny mihaona sy mitafa mivantana amin’ny vahoaka. Mahita hatao foana I Marc Ravalomanana izay manana fihetsika sy fomba fiteny tsy ampoizina, hany ka zary fahafinaretana ho an’ny vahoaka ny miresaka sy mitakosina aminy. Izy ihany koa moa efa iny iaraha-mahita iny fa mahay miara-miaina sy tsy mihafahafa, ka tafahoana ny tia sy ny manina e! Omaly maraina dia nankalaza ny Fetin’I Masindahy Marc tao amin’ny ECAR Antalaha ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana niaraka tamin’i Mg Ramaroson Benjamin izy sy ny ekipany. Rakotra fatin-kazo sy vatakazo ny torapasika tao Antalaha ka naira-nientana ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara dia aminy nanadio izany niaraka tamin’nireo mponina. Hotohizan'ireo vahoaka ny asa fanadiovana mba hanampiana ny kaomina.

HENJEHINA SY HALAINA BARAKA

Ezahina lotoina sy soketaina amin’ny resaka kolikoly I Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ankehitriny, ka hamoronana atsanga tsy aman’orana maro. Anisan’ny efa nivoy izany i Riana Andriamandavy VII, taorian’ny nisamborana an’i Claudine Razaimamonjy, izay arovany fatratra. Hatrany anaty tambajotram-pifandraisana isan-tsokajiny no voizina fa tokony hosamborina i Marc Ravalomanana. Ny teo anivon’ny Bianco kosa anefa dia efa herinandro vitsy lasa izay no nilaza fa tsy misy dosie mikasika ity filoham-pirenena teo aloha ity eny am-pelatanan’izy ireo ary nohamafisina fa tsy nisy velively ny taratasy fampiantsoana azy. Raha ny lalàna ihany koa no arahina dia ny “Haute Cours de Justice” no hany fahefam-pitsarana afaka mitsara sy manenjika ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana teo aloha, izay manana ny satany manokana. Mahagaga sy mahatalanjona ihany, araka izany, hoe loholona izao no tsy mahalala akory ny andinindinin-dalàna mikasika ny fanenjehana filoha teo aloha, ka zary miteniteny foana any anaty haino aman-jery, hany ka misy ireo mihaino an-jambany noho ny tsy fahalalana ny tena zava-marina, ary ao ny mpikarama an’ady tsy misaina afatsy ny handoto sy hanala baraka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT