Tsy mitsahatra ny manentana ny mpiara-belona hampisy ny fitoniana sy ny filaminana ny mpitondra fanjakana Malagasy. Fitondran-tena mifanohitra amin’izay kabary hataony hatrany anefa no hasehon’izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina.
Mampitaraina ny vahoaka tsy mandady harona mihitsy ankehitriny ny fanaparam-pahefana, ny fanaovana amboletra ary ny fampiasana ireo herim-pamoretana. Hisehoan’io tsindry hazo lenan’ny manam-pahefana io manokana ny lafiny fananantany eto Madagasikara, hoy ny Vondron’Olon-Tsotra. Ohatra azo hanamarinana izany ny fanaovana antsojay ny tany misoratra ara-dalàna amin’ny anaran’ny Tiko eny Andohatapenaka. Efa nampiseho ny fahavononany hiresaka sy hifandamina hatrany i Dadavalo. Fihetsika mamohehatra miaraka amin’ny teny tsy maotina kosa anefa no nasetrin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony eo anivon’ny fitondrana izany. Azo sokajiana ho hetraketraka sy sotasota politikan’ny fanjakana amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana manoloana ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 moa io trangan-javatra misy io, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny VOT Ravaoniriana Sarah Zoé.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.