Politique

Marc Ravalomanana : Lasibatry ny fitsarana politika


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Ara-bakiteny ny an’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) ny valy bontana amin’ireo lohandohany mpitarika avy amin’ny ankolafy Madagasikara, taorian’ny nivoahan’ny sazy avy amin’ny Vondrona Afrikanina.

Lasibatra amin’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy nijanona fa nitohy hatrany ary toa vao mainka aza nihamafy ny fanenjehana ataon’ny FAT azy. Omaly dia nandalo teo amin’ny fitsarana, momba ny heloka bevava tsotra, nofohazina indray ny raharaha tany etsy Andohatapenaka saika hananganana orinasa mpanao sakafom-biby, tetikasa niarahana amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo. Didy dimy àry no navoakan’ny fitsarana mikasika azy io. Fanodinkodinana volam-panjakana, firaisana tsikombakomba, fanomezana vahana olona, no vesatra niampangana an’i Marc Ravalomanana. Dimy taona an-tranomaizina sazy mihatra, sazy an-terivozona ary lamandy iray tapitrisa ariary no didim-pitsarana nivoaka omaly ho an’ity filoha teo aloha. Ankoatra azy, dia nisy olona fito hafa voakasik’ity raharaham-pitsarana ity, ka anisan’izany ny filohan’ny faritra Analamanga teo aloha. Dimy taona an-tranomazina, miampy sazy an-terivozona ary efatra tapitrisa Ariary ho lamandy no saziny. Ny Tale jeneralin’ny Alma sy vehivavy iray hafa dia nafahan’ny Fitsarana noho ny fisalasalana. Raha ny zavatra hita dia nofohazina sady nihazakazahana ny famoahana izao didy izao. Tahotra sa valifaty sa antsojay no tian’ny FAT hatao amin’i Marc Ravalomanana. Raha mbola teo amin’ny fitondrana mantsy ny tenany no efa namoronan’ny FAT izao antsojay rehetra izao. Rehefa nahazo fahefana koa izy ireo ankehitriny dia atao avokoa ny fomba rehetra tsy hidirany eto an-tanindrazana, na koa hanagadrana azy. Ny ho avy no hamantarana ny tena anton’izao fihetsiky ny FAT izao.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT