Politique

Marc Ravalomanana Lasa any Danemark


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Mbola mitana ny lohalaharana i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao, raha fifandresen-dahatra amin’ny vahiny no resahina. Hentitra sy manana ny foto-kevitra ijoroany, fa tsy mba manaiky lembenana amin’ny tsy rariny.

Mahay mandresy lahatra ary tsy misy tsy miaiky volana izay sendra azy, ka maro ny vahiny no liana na dia hifampiresaka aminy fotsiny aza, ary velom-panontaniana mihitsy hoe iza ity lehilahy ity ? Any Eoropa i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao ary mihaona sy mifampidinika amina sokajin’olona isan-karazany. Taorian’ny dia tany Frantsa, izay nifampiresahany tamina ankolafin’olona maro toy ireo teratany Malagasy any an-toerana mivondrona ao anatin’ny GTT (Gasy Tia Tanindrazana), ary nitady fiaraha-miasa mba ho fampandrosoana ny firenena, indrindra fa ny kaominina Antananarivo, izay tantanin-dRamatoa Lalao Ravalomanana, dia fantatra ankehitriny fa any Danemark ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao. Miatrika ilay hetsika iraisam-pirenena momba ny horonantsary fanadihadiana fantatra amin’ny anarana hoe « Festival international du film documentaire de Copenhague » any Copenhague Danemark izay tanterahina nanomboka ny 16 martsa ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 26 martsa izao i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny miatrika fotsiny fa tafiditra ho anisan’ny mpandray anjara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria mifaninana amin’izany ny horonantsary momba azy izay mitondra ny lohateny hoe:  « Return of a President- after a coup in Madagascar », azo adika tsotra amin’ny fiteny Malagasy hoe: “Ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha taorian’ny fanonganam-panjakana tao Madagasikara”, izay notontosain’ilay teratany Danois mpamokatra horonantsarimihetsika antsoina hoe Lotte Mik-Meyer. Votoatin’io horonantsary io ny fiainany sy ny zavatra nolalovany nanomboka ny nialany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny taona 2014. An-kavitsiana ny olona mandray anjara amin’ny zavatra goavana toy itony ary i Marc Ravalomanana no Malagasy voalohany nandray anjara tamin’ity fifaninanana iray ity. Anio sabotsy 18 martsa no fotoana voatondro handefasana ilay horonantsary momba azy any an-toerana .

Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT