Politique

Marc Ravalomanana “Isika no hanavotra an’i Madagasikara”


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Niditra nivantana an-tariby tao amin’ny kianjan’i Magro Behoririka, izay feno hipoka ny sabotsy 11 septambra teo, ny filoha Marc Ravalomanana sady filohan’ny ankolafy Ravalomanana.

Nandritra izany no nitondrany fanazavana mikasika ny famahana ny krizy ary koa nanehoany hevitra manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena, indrindra mikasika ity fihaonambem-pirenena hataon’ny FAT manomboka anio ity. Tamin’izay no nilazany fa “tsy azo teren-ko masaka ny fihaonambem-pirenena na ny fifidianana. Ny fikarakarana azy no zava-dehibe hahafahan’ny vahoaka sy ny mpitondra politika tsy ankanavaka mandray anjara malalaka”. Nambarany fa tsy mitsahatra mifampiresaka izy sy ny filoha Joaquim Chissano, ity farany izay manaja tanteraka ny safidin’ny Malagasy amin’ny fikatsaham-bahaolana ary manohana ny CNOSC amin’izany, araka ny filazany ihany. Koa na iza na iza mandrebireby, manao resabe etsy sy eroa ka maneritery dia tsy haharesy lahatra ny vahoaka izany. “Aleo handeha ny fifidianana malalaka, sy eken’izao tontolo izao dia ho hita eo ny marina”, hoy ny filoha Ravalomanana. Nohamafisiny fa “mitovy ny feon’ny vahoaka Malagasy mitaky ny ara-dalàna sy ny sehatra iraisam-pirenena, ka aleo ny vahoaka Malagasy no hifidy malalaka izay hitondra azy sy tiany hitondra azy. Mitaky ny hamerenana ny zony ny vahoaka, hoy izy, ary omeo fitenenana malalaka !

Fa nandritra io fotoana io koa no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa miasa andro aman’alina izy any ivelany any. Eo am-panaovana ny paikady rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara. Manome hery ahy ny fahatongavana maro toy izao, tsy manaiky lembenana noho ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Mahafantatra tsara izao tontolo izao, fa nalaina teo am-pelatanan’ny vahoaka ny fahefana ka isika no hanavotra an’i Madagasikara, hoy ny filoha Ravalomanana, ka hamerina indray amin’ny laoniny ny demokrasia sy ny fiainam-pirenena. Maika, hoy izy ny hametrahana filaminana maharitra sy famonjena ny vahoaka Malagasy izay efa ianjadiam-pahasahiranana lalina tokoa.
Nasiany resaka koa ny fahafahana vonjimaika (LP) nomena ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara folo mianadahy. Ny LP dia midika fa mbola misy fitsarana miandry azy ireo fa tsy fahafahana malalaka. Ka nilazany fa aleo hipetraka ny rivotra politika mba ho tony ny rehetra. Manoloana ny antsoantson’ny vahoaka miandrandra ny fiverenany an-tanindrazana dia “aza matahotra, minoa fotsiny ihany”, hoy izy. Miasa hanao izay hanafainganana izany izahay izao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT