Nanaitra ny maro ny fanambarana nataon’i Zafilahy Stanislas teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy 1 aprily lasa teo.
Mbola henjana ny fifidianana 2018 ary misy ny fandripandrika, ka aleo aloha ny raiamandrenintsika tsy hofandrihana fa aleo isika no mahita loza, toy izay ny raiamandrenintsika ka mety tsy ho afaka hirotsaka, izay mety hahavery maina ny tolona natao hatrizay”, hoy izy. Fanambarana izay midika fa mailo i Marc Ravalomanana sy ny TIM. Mety misy indray mantsy ny paikady maizina any ambadibadika any hampijabahana ity filoha teo aloha ity ka mety hitarika ny fisamborana sy ny fanagadrana azy indray, tahaka ny efa nataon’ny fitondrana HVM ny 13 oktobra 2014. Mialoha izao dia efa nisy feo nivoaka koa fa tsy avela miditra eto Madagasikara ka hampiharana NOTAM indray i Marc Ravalomanana izay nijanona naharitra tany Eoropa. Tsy noraisina indray moa io fanapahan-kevitra io ary tafaverina an-tanindrazana izy.
“Ultimatum” herinandro
Ankoatra izay, manome fe-potoana herinandro ny filankevi-panjakana mba hitsara ny raharaha MBS ny zanak’i Dada sy ny Tiako i Madagasikara nivory tetsy amin’ny Magro ny sabotsy tolakandro teo. Tsy adala ny vahoaka Malagasy amin’izao zavatra hita fa tsy mety izao. Matoky ny fahendrenareo izahay, ka mba hamoaka ny didy mikasika izany, hoy i Zafilahy Stanislas. Nanamarika ny fotoana teny amin’ny Magro afak’omaly iny ihany koa ny fahatongavan’i Leriva Manahirana, tsy vahiny amin’ny mpikambana TIM, izay mandrisika hatrany amin’ny hanohizana ny tolona. Tsy hiato ary vao mainka hihamafy ny hetsika eny amin’ny kianja Magro mba hisokafan’ny haino aman-jery MBS, ary ilaina ny hanitarana izany any amin’ny faritra manerana ny Nosy, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Tapa-kevitra ny zanak’i Dada ary tsy hihemotra intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.