Tsy tonga indray i Dada ! Izany no resabe teo anivon’ireo mpitolona teny amin’ny Magro ny faran’ny herinandro teo. Maro tamin’izy ireo mantsy no niandrandra ny fiverenana an-tanindrazan’i Marc Ravalomanana mialoha ny 26 jona.
Tsy tanteraka aloha izany tamin’ity indray mitoraka ity ary dia nionona tamin’ny fifandraisana an-tariby ireo mpitolona. Na izany aza anefa dia manomboka miparitaka indray ny feo izao fa tsy maintsy ho avy eto ity filoha teo aloha ity, ary araka ny efa voaresaka teny an-kianja dia ho tampoka ny fahatongavany ary ho toy ny vara-datsaka mihitsy. Araka ny tsiliantsofina re tokoa mantsy dia efa hatry ny ela mihitsy no nieritreritra ny hody aty an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana saingy tsy nety tanteraka mihitsy izany. Efa hatry ny ela ihany koa izy sy ireo mpiara-miasa aminy no nikaroka ny fomba hahafahany miverina eto ary tsy hisy fampiasan-kery velively izany fiverenana izany fa amin’ny ora tsy ampoizina, araka ny filazan’i Zafilahy Stanislas azy.
Eo amin’ny lafiny politika rahateo, dia ho tara ihany i Marc Ravalomanana izay efa nilaza fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha mijanona any ivelany. Ireo mpanao politika sasany eto an-toerana efa miroso amin’ny fitetezam-paritra, manao propagandy mialoha ny fotoana. Araka ny filazan’ny mpitolona iray eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana dia : «midika faharesena avy hatrany ho an’i Andry Rajoelina sy ny HAT ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana eto, ka izay no mahatonga azy ireo mitady ny fomba rehetra hanakanana izany. Efa tsinjon’izy ireo mantsy fa ao ambadiky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka maro an’isa, ka tsy handaitra intsony ny fanenjehana sy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso raha tonga eto ity farany, satria tsy mbola nisy tafika naharesy vahoaka izany. I Marc Ravalomanana irery no mpitarika mahazaka ny vahoaka amin’izao fotoana … ». Araka ny tombantomban’ny rehetra dia mety hitovy amin’ny zava-nitranga tamin’ny fitsenana ny amiraly Ratsiraka tamin’ny 1996 ny fahatongavan’ity filoham-pirenena teo aloha ity, eo koa anefa ny maminavina fa tsy misy mpahalala sy mpahafantatra tahaka ny nandehanany ny 17 martsa 2009 koa ny fiverenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.