Niarahaba sy nankahery hatrany ireo mpiara-dia aminy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny antso an-telefaonina nandritra ny fihaonana fifampiarahabana noho ny Asaramanitra nataon’ny Vondron’Olon-tsotra (VOT) tetsy amin’ny EPP 67Ha Atsimo ny sabotsy 19 janoary 2013 lasa teo.
Nilaza moa ny filoha Ravalomanana fa tena mbola anatin’ny fivoriana fandaminana ny fodiana an-tanindrazana tamin’io fotoana io ka tsy afaka nitafa naharitra fa dia nirary soa ho an’ny Malagasy rehefa ny tenany ary nankahery ireo mpiara-dia aminy hanohy hatrany ny tolona. Nanamafy izany ny VOT fa dia mitohy hatrany ny tolona, ary tsy hitsahatra izany raha tsy migadona an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.
Hentitra koa ny filazan’ny VOT fa tsy mahalala izany fifidianana izany izy ireo fa ny tolona hamerenana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara no hany laharampahamehana ho azy ireo izao. Marihina fa nisy solotena avy any amin’ny Faritra tonga nifanotrona tamin’ireo VOT eto an-drenivohitra nandritra ity fihaonana tetsy amin’ny 67ha ity.
Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.