Politique

Marc Ravalomanana Ho avy mialoha ny faran’ny taona


  • Zoma 14 Desambra 2012

Raha mbola miteraka resabe sy adihevitra eto amintsika ny filazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy hirotsaka hofidiana ny tenany amin’ny 2013 dia naneho ny fahatokisany ny raimandreniny ireo mpiara-dia aminy etsy amin’ny kianjan’ny Finoana.

 «Dada mody no tanjona, matoky ny filoha sy ny SADC isika ary fifidianana demokratika no ilaina”. Izay no toromarika ho an’ireo mpandala ny ara-dalàna, araka ny tenin’ny CST Henri Randrianjatovo izay namaky ny hafatra avy amin’ny filoha teo aloha nilaza fa “mino ary manome toky aho fa ho avy ary tsy ho ela”. Tsy ny ao amin’ny kianjan’ny Magro ihany izay matoky izay fa eo koa ny avy any amin’ny faritra. Manoloana iny fanapahan-kevitra iny, hoy ny CT Zafilahy Stanislas dia hita eo izay tena sakana ho an’ny famahana ny krizy. «Miandry isika ka ho hitantsika ato ho ato.

Mazava ny an’ny filoha, hoy izy. Ho avy mialoha ny faran’ny taona ny filoha Marc Ravalomanana raha samy manaja ny teniny, hoy ihany ny filoha lefitry ny Kongresy. Azoko antoka, hoy ihany izy fa ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana eto no ela dia efa mihetsika daholo ny rehetra, hahazoan’ny very asa ny asany, hitohizan’ny asa fampandrosoana rehetra. Izy (Marc Ravalomanana) rahateo, araka ny fanazavana dia efa niteny fa hiverina hitondra fanavotana ho an’ny firenena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT