Nafana tanteraka ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny tolakandron’ny sabotsy 02 jolay teo.
Delegasiona mafonja avy amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana izay nahitana ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato, Ralaiseheno Guy Maxime, ny Depiote isany Andrianjatovo Henri (Faratsiho), Rakotomanjato Rodin Georges (Arivonimamo), Pastera Edouard Tsarahame sy olona telo hafa no tonga nanazava ny fandehan’ny raharaham-pirenena tany an-toerana. Anisan’ny anton-dian’izy ireo moa ny nanazava tamin’ny vahoakan’Antsirabe fa tsy izy ary tsy azo ekena ny fanitsiana nentin’ny Dr Simao farany teo satria dia nifanipaka tanteraka tamin’ny izay notapahin’ny SADC tao Sandton Afrika Atsimo ka tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka. Nisy mihitsy, araka izany, ny fizarana ilay fehin-kevitra tao Sandton ho hitan’ny besinimaro. Fa anisan’ny nisongadina ny fidirana an-telefaonina nivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny vahoakan’Antsirabe ka nilazany fa afaka mody avy hatrany ny tenany na dia izao dia izao aza saingy misy ny fandaminana iarahana amin’ny vondrona iraisam-pirenena, ka tsy maintsy manaraka ny ara-dalàna isika, hoy ny tenany. Mahazo matoky ny vahoaka, hoy ihany izy fa “hihaona isika mialoha ny faran’ny volana jolay izao raha tahian’Andriamanitra”, ka tsy tokony ho kivy ny vahoaka fa mila mifampatoky fotsiny hatrany. Zava-dehibe, hoy izy ny fivoriana ataon’ny Vondrona Afrikanina ny 07 sy 08 jolay izao ka tsy maintsy andrasana. Raha nanontanian’ny Vahoaka izy amin’ny fiarovana ny ainy dia nilaza fa “tsy misy atahorana ny amin’izany ary tsy hisy izany mpikaramanady hiaraka amiko izany”, hoy izy. Nanamafy Atoa Marc Ravalomanana fa “tsy maintsy mody ary ho kandidà amin’ny fifidianana”. Vory lanona tanteraka moa ny vahoaka io sabotsy io ary hita ho nahazo hery tanteraka ny mpitolona. Tazana nanome voninahitra ity fihaonana ity ireo Parlemantera teo aloha, ny filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanànan’i Vakinankaratra, ankoatra ireo mpitarika ny legalista ao an-toerana. Mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny Magro Antsirabe isaky ny alarobia sy ny sabotsy ary tsy hijanona raha tsy miverina ny ara-dalàna.
Caïus R.
Sary : Hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 02 jolay 2011.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.