Andrasana ao Ambatondrazaka ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana anio sabotsy 25 febroary 2017.
Fihaonany voalohany amin’ity taona 2017 ity, hifanaovany amin’ireo mpikambana TIM sy ireo mpomba azy amin’iny faritr’Alaotra iny indray anio. Ho tafaray, araka izany, ny tia sy ny manina. Vaovao rahateo ihany koa ny taona ka tsy handalo fotsiny ity fihaonana ity fa hifampiarahabana sy hifampirariantsoa nefa koa hifampitam-baovao sy hanomezany toromarika ireo mpiaradia aminy, indrindra amin’ny lafiny politika taorian’ny nanamafisan’i Marc Ravalomanana tamin’ny haino aman-jery indray ny alarobia teo, fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany amin’ny 2018. I Marc Ravalomanana rahateo no mpanao politika Malagasy voalohany nanambara ampahibemaso ny firotsahan-kofidiany amin’io fifidianana io. Araka izany dia tafiditra amin’ny fanetsehana sy fanomanana ireo mpomba azy izao diany ao Ambatondrazaka izao, ary koa fanohizany ny fitetezam-paritra tanterahiny amin’ity taona vaovao ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.