Politique

Marc Ravalomanana Hiady hatramin’ny farany ary tsy maintsy mandresy !


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

«Manŕna faharetana fa tsy maintsy miady hatramin’ny farany isika ary tsy maintsy mandresy», hoy Marc Ravalomanana raha niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo.

Tamin’izany no nanoritsoritany ny ho vaindohan-draharahany rehefa tafaverina eto an-tanindrazana ny tenany, dia ny hampanjary ny tena demokrasia, ny hanaja ny tenin’ny besinimaro, ny famerenana ireo orinasa potika noho ireny raharaha 2009 ireny, ny famerenana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ireo mpamatsy vola. Niantso ireo mpanao politika sy ny avy ao amin’ny tafika ihany koa ny tenany fa tsy hisy fanenjehana azy ireo izany rehefa tafaverina an-tanindrazana ny tenany. «Tsy mieritreritra hanao izany aho», hoy izy, ka tokony hanana fomba fijery lavitra ny rehetra. Mino aho ary manantena, hoy izy, fa tsy maintsy tafaverina ny demokrasia. Fantatra ihany koa, nandritra ny lahatenin’ny filoha fa dia ho avy eto Madagasikara i Joaquim Chissano, hijery izay hamonjena maika ny Malagasy satria efa fadiranovana loatra isika. Momba ny fanamarihana ny 26 jona indray dia nambarany fa dia tsy hanjary izany satria naverina nozanahana indray ny Malagasy.

Momba ny dinika tany Genève indray dia nambaran’i Marc Ravalomanana fa nitsaitsaika ireo solontenan’ny FAT tonga tany an-toerana rehefa nanontaniana ny momba ny fisamborana sy fanagadrana mpanao gazety sy mpitondra fivavahana, ny tsy mbola nametrahana ny fanadihadiana iraisam-pirenena mahaleo tena momba ny raharaha “7 febroary”. «Tsy sahy izy ireo fa matahotra», hoy ny filoha satria ho hita ny marina ny amin’izay namono olona, nandroba sy ny maro hafa. Tsy ny raharaha “7 febroary” ihany no handalo amin’izany fanadihadiana izany. Nambaran’i Marc Ravalomanana ihany koa fa dia tsy fitsarana intsony no misy eto amintsika satria na ny fenitra na ny ara-dalàna tsy hajain’ny fitsarana. “Tondro molotra dia azo anagadrana olona”, hoy izy. Momba ny hoe mety hisamborana an’i Marc Ravalomanana any ivelany, dia nambarany fa «aza manahy ianareo, fa fitondrana tsy ara-dalàna no misy, izy ireo aza no tokony hosamborina». Ankoatra izay dia nambarany fa dia hisy fiantraikany lehibe amin’ny fiainan’ny Malagasy ny sazy, anisan’ireny ny fahatapahan’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeana. Tsy afaka hanao na inona na inona intsony io fitondrana FAT io, hoy izy raha tsy miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT