Politique

Marc Ravalomanana Hanao sonia …


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Niala tamin’ny fahanginany Atoa Marc Ravalomanana ary naneho an-tsoratra ny heviny mikasika ny taratasy nosoratan’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao ny 17 jona 2011 lasa teo, mikasika ny fanitsiana ny sori-dalana hanorenana sy hitantanana ny tetezamita tena izy.

 «Averiko fa vonona ny hanao sonia ny tondrozotra aho raha toa ka vita ny fanitsiana azy. Tsy azoko ekena kosa anefa ilay fanitsiana tokana natao tamin’ny 17 jona 2011 milaza ny tsy fahafahako mody raha tsy milamina ny tontolo politika. Ny zavatra tapaka tamin’ny fihaonamben’ny SADC dia tokony hohajain’ny rehetra. Izany dia midika fa tokony hampitsahatra ny fihetsika sy asa tsy nifampierana ny FAT satria tsy an’ny FAT irery fa iraisana ny tondrozotra, raha tsy izany dia hihitsoka tanteraka ny fikaroham-bahaolana”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taratasy nosoratany ho an’ny filoha Namibianina sady filoha am-perinasan’ny SADC, Hifikepunye Pohamba. Ankoatra izay dia nambarany fa laviny amin’ny fomba ofisialy ny fihetsik’ireo mpanelanelana vahiny tonga teto Madagasikara, fa “mifanohitra amin’ny zavatra tapaky ny fihaonana an-tampony ary hanimba ny dinika efa an-dalana ary manasarotra ny ezaka efa vita».Tsy manaja ireo fepetra mantsy ireo iraka tonga teto ary maneso ny fanitsiana natao ary manome vahana ny FAT izay tsiahivina fa fanjakana tsy ara-dalàna fa nalaina tamin’ny alalana fanonganam-panjakana”, hoy Atoa Marc Ravalomanana nanamafy. Mety ho azo ekena ihany ny tetezamita, hoy izy, raha toa ka misokatra ho an’ireo ankolafy hafa tena mpandray anjara ary mifototra amin’ny hoe : tenierana.

Raha tsy izany, hoy ihany Atoa Ravalomanana dia tsy ara-dalàna ka tokony hotohizana hatrany ny fanokana-monina ataon’ny Firaisambe afrikanina sy ny SADC. Nambaran’ny filoha fa dingana saropady amin’ny fikarohana ny filaminana sy ny ezaka efa vita no misy antsika amin’izao fotoana izao ka tokony ho saro-piaro amin’izany ny rehetra. Izany indrindra, hoy izy no tsy tokony hanapahan-kevitra maimaika, ny fanapahan-kevitra rehetra dia tokony ho marina, tsy miandany ary efa nohalalinina tsara. Ny volana jolay ho avy izao anefa, araka ny filazan’ny Dr Simao no hosoniavina ny tondrozotra. Tsy fantatra izany aloha hatreto hoe tondrozotra inona io hosoniavina io. Hatreto mantsy dia lavin’ny Ankolafy 3 raha ilay tondrozotran’ny FAT.

 

Nangonin’i Soa

 

Sary : Atoa Marc Ravalomanana maneho ny taratasy mirakitra ny fehin-kevitry ny SADC tao Sandton ny 12 jona 2011.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT