“Ny hamaha ny krizy any Madagasikara, ny hametraka fototra ho an’i Madagasikara vaovao, hametraka ny fototry ny demokrasia, tsy noho ny amiko irery no hifampiraharahako fa eo indrindra koa ireo vahoaka malagasy nifidy ahy».
Ireo no anisan’ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana raha niatrika ireo mpanelanelana iraisam-pirenena ny tenany. Fanontaniana 22 teo ho eo no napetrany. Anisan’ireny ny hoe mety amintsika izao ve raha toa ka hanao tatitra mivantana amin’ny vahoaka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara? Manaiky ve isika fa mila antoka ahafahan’ireo mpialokaloka ara-politika miverina an-tanindrazana tsy amin’ahiahy ary dia tokony hisy fepetra manokana raisina ho amin’izany, toy izay natao tany Burundi? Ankoatra izay dia nasiany teny koa ny momba izay ho fifidianana sy izay ho fizotrany. Raha ekentsika, hoy i Marc Ravalomanana fa tokony hanao tatitra mivantana amin’ny vahoaka ny filoham-pirenena dia tokony ny vahoaka izany no handany azy. Ekentsika koa ve, hoy izy raha hiaraha-manapaka mandritry ny fifampiraharahana ny datin’ny fifidianana? Ekentsika koa ve, hoy izy fa ny famerenana amin’ny laoniny ny toe-draharaha politika eto Madagasikara dia mila fanafoanana ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny raharaha politika nanomboka 2002-2009? Nasiany teny koa ny momba ny raharaha 7 febroary. Raha eken’ireo mpiara-nidinika ny hahafantaran’ny vahoaka Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny marina momba iny raharaha iny dia atao. Ekentsika àry ve hoy izy ny hametrahana ny fanadihadiana am-pelatanana vaomiera mahaleo tena iraisam-pirenena? Ankoatra ireo dia anisan’ny fanontaniana napetrany koa ny momba ny fanekena ny fanafoanana ny fanenjehana azy sy ny fananany. Eo koa ny tokony hametrahana mpanara-maso ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Tokony hisy fahamarinan-toerana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka, hoy ny filoha ka izany no tokony hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana rehetra. Izay filoha lanim-bahoaka, ara-pomba demokratika eo dia hametraka izay karazana fahatomombanan-toerana izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.