Politique

Marc Ravalomanana Fampihavanana aloha vao fifidianana


  • Zoma 19 Mey 2017

Mbola ao anaty krizy i Madagasikara. Tsy maintsy atao aloha ny fampihavanana vao irosoana ny fifidianana, hoy i Marc Ravalomanana omaly hariva raha nidinika tamin’ireo iraka manokan’ny SADC teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra izy.

Tonga naka ny hevitr’ity filoha teo aloha ity momba ny toe-draharaham-pirenena sy ny zava-misy marina eto mialoha ny hanohizan’izy ireo indray ny asa amin’ny fanelanelanana sy fampihavanana ireto manampahaizana avy amin’ny SADC ireto. Nahitsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nilaza fa tsy mety satria toa misy resaka kiantranoantrano ny fanendrena ireo mpikambana  mandrafitra ny komity hisafidy ireo mpikambana ao anatin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na CFM. Tokony ho nisy fakan-kevitra tamin’ireo ankolafy hafa mialoha io fanendrena io, hoy izy fa tsy nokobokobonina tany fotsiny. Goavana sady saropady mantsy ny asan’io CFM io ka tsy atao kitoatoa ny fananganana azy. Efa tamin’ny 2014 no natomboka ny fampihavanam-pirenena, hoy i Dada saingy ela loatra ilay fanapahan-kevitra … Manana manampahaizana sy teknisianina maro anefa isika eto Madagasikara momba an’io ary eo ihany koa ireo manampahaizana avy any ivelany afaka mifandinika sy miara-miasa amintsika. Tena hampidi-doza eto ny tsy fahavitan’ny fampihavanam-pirenena satria mety hifamono ny samy Malagasy dia hikorontana tanteraka ny firenena, hoy i Marc Ravalomanana. Tranga efa azo itarafana ny ahiahiny ny firongatry ny fitsaram-bahoaka isam-paritra tato anatin’ny 3 taona izao. Andrasana izay ho fihetsiky ny filoha Rajaonarimampianina izay nilaza fa izy no hitarika ny fampihavanam-pirenena satria tsy tongatonga ho azy izao dinika teny Faravohitra izao fa ao raha.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT