Politique

Marc Ravalomanana “Coach” amina kaominina maro


  • Talata 20 Septambra 2016

Manoloana ny resaka mandeha amin’ny fitsabahan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, mivantana ao amin’ny raharaha tokantranon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra,

 

 ankehitriny dia tsy hainay ny tsy hitondra izao fanazavana manaraka izao, hoy Atoa Ralaimampisainarinony Manoela, mpikambana mavitrika ao amin’ny antoko TIM, fa tsy eto amin’ity kaominina Antananarivo Renivohitra ity irery ihany akory ity filohan’ny antoko TIM ity no manolo-tsaina ireo ben’ny tanàna lany farany teo ka manao ny asana “Coach” fa any amin’izay toerana hisiana ben’ny tanàna lany tamin’ny alalan’ny antoko TIM rehetra ihany koa. Nanampy izany tamin’ny fanehoan-kevitra nataony koa ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna an-drenivohitra, Ramorasata Julien, fa olona manana traikefa tanteraka amin’ny lafiny fitantanana raharaham-pirenena amin’ny efa naha ben’ny tanàna azy taloha sy naha filoham-pirenena azy ihany koa ary amin’ny mbola maha tale jeneraly mpitantana ny orinasa Tiko azy ankehitriny i Dada Ravalomanana ka rariny raha mampita izany traikefa ananany izany amin’ny mpiara-belona aminy izy na iza mitady izany na iza ary marihana fa izahay ao amin’ny CUA mihitsy no niantso azy hanampy anay fa tsy  izy no nisolantsonana nanao izany. Marihana ihany koa, hoy ity lefitry ny ben’ny tanànan’ny CUA ity, fa tsy mbola nisy hatreto fanampahan-kevitra noraisanay tao amin’io kaominina io ka hoe nahitana sonian’i Dada Ravalomanana na iray aza.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT