Tonga eto Madagasikara ankehitriny Atoa John Knox, mpampakateny manokan’ny firenena mikambana momba ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana.
Tonga hijery ny zava-misy marina eto Madagasikara izy mikasika ireo sehatra roa ireo ka tonga teny Faravohitra teny amin’ny trano fonenan’i Marc Ravalomanana omaly hariva mba hihaino ny hevitr’ity filoham-pirenena teo aloha ity. Anisan’ny lahadinika noresahan’ny roa tonta omaly ny momba ny raharaha Soamahamanina, ny trafikana andramena sy sokatra ary ireo biby mandady eto Madagasikara. Mahafantatra tsara ny traikefa ananan’i Marc Ravalomanana ny rehetra ka izany no mahatonga ity iraka manokan’ny firenena mikambana ity tonga eny Faravohitra. Nilaza moa i Marc Ravalomanana fa tena be loatra ny kolikoly eto Madagasikara amin’izao fotoana, miraviravy tanana sy tsy te hiezaka ihany koa ny olom-pirenena satria ny fanjakana dia tsy manao ny tamberin’andraikitra ary tsy mampiseho ohatra tsara amin’ny fomba fiasa sy ny fomba fiaina. Firifiry tokoa moa ny manampahefana na fianakaviana olona ambony voatonontonona anatina afera maizina (trafikana volamena, hazo sarobidy) saingy tsy misy mihitsy ny fanadihadiana lalina natao fa toa mangingina ho azy eny ny raharaha. Niray hevitra ny roa tonta fa sarobidy tokoa ho an’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny tontolo iainana ary tokony harovana. Tafiditra ao anatin’ireo firenena tandindonin-doza amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasikara ka manara-maso akaiky antsika noho izany ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola tena manjaka eto ny fandripahana ny ala, ny doro tanety. Izany anefa no miteraka fikorontanana eo amin’ny toetry ny andro ka mampahery vaika ny orana amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra. Misy antony ihany koa matoa ny firenena mikambana mandefa iraka momba ny zon’olombelona eto, misimisy ihany tokoa mantsy ny tsy fanajana na fanohintohinana io resaka zon’olombelona io teto hatramin’ny 2009 no ho mankaty ka na ny Fiangonana na ny firaisamonim-pirenena dia efa samy nampaneno lakolosy ny amin’izany avokoa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.