Nangorom-potsy indray tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 06 aogositra teo.
Ankoatra ireo kabary nifandimbiasan’ireo mpitari-tolona niandry tanàna dia nampiavaka ny hetsika ny fidirana mivantana tamin’ny antso an-tariby nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana. “Tsy tiako raha ho tompon-trano mihono na tsy hahalala ny zava-misy marina ny vahoaka Malagasy”, hoy izy, “mba tsy hahatonga azy ireo hino zavatra tsy marina sy lainga afafy”. Nambarany fa eo am-padinihina sy fijerena akaiky ny fihaonana ny SADC ka tamin’ny alakamisy teo dia niresaka tamin’ny mpanao gazety ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao ka tafiditra tamin’ny resaka ny mikasika an’i Madagasikara. Nambarany fa nankatoavin’ny SADC ilay sori-dalana, tsy voalazany kosa anefa fa ilay sori-dalana misy fanitsiana no nankatoaviny sy nohamafisin’ny CPS io”, hoy ny Filoha Ravalomanana.
Nambaran’ny Dr Salomao fa tsy mbola vita sonia io sori-dalana io ary tsy manaiky hanatanteraka izany ny filoha telo mirahalahy : filoha Zafy Albert, filoha Didier Ratsiraka, ary filoha Marc Ravalomanana satria tsy mazava ny sori-dalana. Ny vahaolana, hoy ny Filoha Ravalomanana, ary efa tapaky ny fifanarahan’i Sandton sy Addis Abeba fa tsy maintsy miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra, ary afaka manao politika na mandray anjara amin’ny tetezamita raha tiany ireo Malagasy monina ivelan’i Madagasikara. Hentitra ny teniny nilaza fa “rehefa tsy manaiky ny fiverenanay ianareo (FAT) dia tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena izany”. Mby an-koditra ny fahantrana, hoy ny Filoha Ravalomanana nanohy ny teniny.
Ahoana no ahafahana manome asa ireo Malagasy tsy an’asa raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany ? Ny vola ampiasaina eto Madagasikara dia avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ny 80 isan-jatony, hoy izy. Nahitsy ny Filoha niteny fa tsy manam-bola ny FAT, ary azo isaina izany raha izay vola azo amin’ny “bois de rose” sy harena an-kibon’ny tanay, ary tsy ampy hamaha ny olan’i Madagasikara. Nomarihiny fa misy ny vola be fanampiana an’i Madagasikara amin’ny lafiny fampianarana, ny fampidiran-drano madio ho an’ny mponina, fanatsarana ny any ambanivohitra saingy voatery nozaraina amin’ny ireo firenena ao amin’ny SADC izany. Fahavoazana ho antsika Malagasy izany, ary menatra ny tena noho izany, hoy ny Filoha. Tsy ho azon’i Madagasikara ireo volabe avy amin’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana, andiany faha-10, avy amin’ny Vondrona Eoropeanina raha tsy miverina amin’ny ara-dalàna.
Aza ny hambom-po diso toeran’ireo tsy mahalala ny tanindrazana no arahina, tsy misy vola ny kitapom-bolam-panjakana, tsy hisy fandriampahalemana raha mahantra ny vahoaka Malagasy. “Hiverina any Madagasikara hitondra fandriampahalemana aho, hitady vahaolana fa tsy hitondra korontana, hitondra izay fomba rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara aho”, hoy i Dada namarana ny teniny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.