“Tsy manadino anareo Malagasy any amin’ny faritra Anôsy aho na mbola aty Afrika Atsimo aza amin’izao fotoana izao. Aoka tsy ho kivy ianareo fa tsy maintsy voavahantsika ity krizy napetraky ny fitondrana tetezamita ity”.
Tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io raha nitafa an-tariby nivantana tamin’ny vahoakan’Anôsy izy ny sabotsy teo. Ny tanjoko, hoy izy, dia ny hamaha ny krizy araka izay haingana mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy ninian’ny sasany ampijaliana. Tsy hihemotra amin’ny tolona isika ary isaorako anareo aty Faradofay ny finiavanareo miady amin’ny tsy rariny, hoy ny filoha Ravalomanana.
Maro, hoy izy ireo mitady hanakorontana sy te hampisara-bazana ny Zanak’i Dada ka aoka ho mailo ianareo ary “atambaro ny hery fa ho avy aho”. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo Zanak’i Dada any Faradofay ny hafatry ny filoha Ravalomanana. Afaka nametraka fanontaniana nivantana tamin’Atoa Marc Ravalomanana ny olona ary samy nahazo valin-teny mahafa-po avokoa. Talohany dia ny Me Hanitra Razafimanantsoa no nampita hafatra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ihany koa, nanentanany ireo mpikambana sy nanamafisany fa tsy mivadika amin’ny teniny ny filoha Marc Ravalomanana ary “tsy hisy fifidianana ho azo antoka eto Madagasikara raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana ny filohantsika”. Ny fiverenany ihany no hampivaha izao krizy izao, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa ka tokony hifampatoky isika. Marihina fa tamin’io sabotsy io dia niresaka mivantana tamin’ny Zanak’i Dada tany Betroka ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy mifanalavitra tamin’ny hafatra nataony tao Fardofay ny nambarany tany an-drenivohitr’i Bara.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.