Politique

Marc Ravalomanana Atahoran’ny fanjakana mafy


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Miha mitombina ny hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy ho kandida amin’ny taona 2018.

 

 Izy no kandida atahorana ary mamim-bahoaka amin’izao fotoana, ka matahotra mafy ny fitondrana HVM, izay mihevitra ny mbola hijanona mora foana eo amin’ny seza. Manaporofo izany ny fankasitrahan’ny olona azy na aiza na aiza aleha. Raha atao ny fampitahana dia i Marc Ravalomanana no mpanao politika tsy manana orinasan-tserasera manokana hatramin’ny nandorana ny MBS tamin’ny taona 2009.

Na aiza na aiza anefa aleha dia vory foana ny vahoaka manotrona azy, ary maneho fahavononana hametraka azy eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena ny taona 2018. Etsy an-kilany kosa dia samy manana ny orinasan-tseraserany ireo heverina ho mpifanandrina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary sesilany ny fipasohana sy fanasohasoana, toy ny ataon’ny fitondrana HVM, saingy mahazo lamosina hatrany. Na ny olona hanotrona azy ireo aza dia mbola tambazam-bola, toy ireny niseho tetsy Mahamasina nandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena ireny. Ny an’i Marc Ravalomanana kosa dia ny olona no mitady azy, ka na tsy mamafy vola be sy hanaovana kapa ranjo amin’ny tsy famelana ny orinasan-tseraserany hisokatra aza, dia eo hatrany ny vahoaka hanohana. Haneho ny heriny eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) mandritra ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroany ny sabotsy 8 jolay izao, ka vao mainka mihorohoro ny HVM, izay anisan’ny ho mpifanandrina voalohany aminy amin’ny fifidianana, ka tsy maintsy miketrika kapa ranjo. Toa efa maneho izany ny fanehoan-kevitr’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny fandaharany “Fotoam-bita” ny herinandro teo. Raha mivoy mantsy ny sehatra iraisam-pirenena fa fifidianana malalaka no tokony hatao amin’ny 2018, dia toa efa namaly bontana izany ny filoha ankehitriny fa “Tsy ny any ivelany no mibaiko amin’ny fitantanana ara-politika ary tsy hisy intsony ny fanasoniavana tondrozotra fa firenena masi-mandidy isika. Mifarana eo ny fibaikoana amin’ny raharaham-pifidianana, raha ny fanambarany. Lalàna manan-kery eto Madagasikara no hampiharina fa tsy lalàna ahidina avy any ivelany, hoy izy. Anisan’ny lalàna vao noforonina moa ny fananganana ilay fitsarana momba ny heloka ara-toekarena nitranga teo anelanelan’ny 2002 ka hatramin’ny 2013 izay toa mikendry ny hamelezana ny mpandraharaha matanjaka, anisany i Marc Ravalomanana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT