Politique

Marc Ravalomanana Ao am-pon’ny Malagasy hatrany


  • Talata 12 Oktobra 2010

“Tsy mbola nisy toa azy hatramin’izay. Tsy tonga lafatra izy kanefa kosa mba nahavita ary namela mamy ho antsika. Hafa ihany ny tamin’ny andron-dRavalomanana…”

Santionany amin’ireo feo sy resaka re etsy sy eroa, na eny anaty fitateram-bahoaka na fiarakaretsaka na koa eny an-dalana rehetra eny izany. Herintaona sy tapany taty aorian’ny nahavoatery azy hanao sesitany ny tenany dia tsy mbola afaka ao am-pon’ny Malagasy Atoa Marc Ravalomanana. Eny na dia teo aza ny fanaratsiana azy sy ny fiezahana namafa ny zava-bitany teto tamin’ny fomba rehetra dia tavela ao an-tsain’ny maro an’isa izy. Na dia teo koa aza ny famoretana ireo mpanara-dia azy sy mpitaky ny fiverenany dia mbola mijoro hatramin’izao ireo sokajin’olona ireo, herintaona sy tapany taty aoriana ary mbola miandrandra sy manantena ny fiverenany eo amin’ny fitondrana.

Tsy ny eto an-drenivohitra ihany na koa ny Merina na ny protestanta na koa hoe ny FJKM ihany no mahatsiaro sy mahatsapa fa nahavita zavatra teto amin’ny firenena ilay mpivaro-dronono zanak’Imerinkasinina, fa hatrany amin’ny faritra rehetra any. Ao ireo mahatsiaro azy rehefa fidiran’ny mpianatra toy izao sy ny fahazoana “kits scolaires”. Ny hafa indray amin’ny kalitao sy ny fahamoran’ireo kojakoja ilaina andavanandro, ny sasany indray ireo fotodrafitrasa na lalana na biraon’ny Kaominina, ny hopitaly, ny sekoly, ny fahadiovan’ny tanàna sy ny lalan-kely. Santionany daholo ihany ireo. Na tiana na tsy tiana dia tsy azo hodian-tsy hita fa i Marc Ravalomanana dia anisan’ireo mpanao politika vitsy an’isa, mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy, nahavita nanatanteraka izay nolazainy. Ny vokatra ny azy no mikaoty, ary vavolombelon’ny asa ny bainga. 

Etsy andanin’izany, teo amin’ny tantara ihany koa tsy mbola nisy olona milaza tena ho napetraky ny vahoaka no tratry ny horakoraka imasom-bahoaka, herintaona sy tapany taorian’ny nakany fahefana. Tsy matahotra maneho ny hatezerany intsony ny Malagasy amin’izao, raha nezahina notapenam-bava sy norahonana tamin’ny basy aman-tafondro izany. Miantraika any am-bilany tokoa manko ny fahasahiranana ary betsaka no tonga saina amin’izany.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT