Politique

Marc Ravalomanana Antomotra ny fodiany


  • Zoma 11 Janoary 2013

«Mitolona ho an’ny tanindrazana isika, mitolona ho an’ny safidy nosihosena», hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly tolakandro.

 Matoky isika fa tsy diso lalana satria manaraka ny ara-dalàna. Raha ny zavatra hita sy re teny Iavoloha, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity dia manomboka mangoron’entana ireo mpanongam-panjakana ary efa mipararetra ny sezany ka ny fianakaviambe iraisam-pirenena no namatrapatrarana.  Matahotra mafy ny ekipany i Andry Rajoelina ka ny sehatra iraisam-pirenena no nofafazany. Nanentana ireo mpiara-dia aminy i Zafilahy Stanislas hatoky ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny famahana ny olana politika eto Madagasikara.

Nambarany fa “tsy maintsy tafody eto an-tanindrazana ato ho ato ny filoha Marc Ravalomanana. Mety hialoha ny faran’ity volana ity izany ka mila manambatra ny heriny ireo mitovy fomba fijery fa i Marc Ravalomanana no vahaolana ho an’ny firenena. Momba ny resaka fanajana lalàna indray dia aleo mba mianatra ihany, hoy i Zafilahy. Ny lalàna iraisam-pirenena no ambony miohatra amin’ny lalàna eto amin’ny firenena eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Efa navadika ho lalàna iraisam-pirenena, araka ny fanazavana ny sori-dalana izay mamaritra sy mandidy fa tokony sokafana daholo ny haino aman-jery rehetra nakatona. Ny sori-dalana izao no solon’ny lalampanorenana ary mitondra ny firenena, hoy izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT