Ho tapitra ny 25 janoary ho avy izao amin’ny 12 ora alina ilay NOTAM hafakely navoakan’ny fitondrana tetezamita, izay milaza milaza fa tsy maintsy ampahafantarina 24 ora mialoha ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny lisitry ny mpandeha fiaramanidina rehetra hihazo an’i Madagasikara.
Ny tsy fanaovana izany dia mitarika fanafoanana ny sidina avy hatrany. Manan-kery mandritra ny telo volana, nanomboka ny 25 oktobra 2012 ary mitohy hatramin’ny 25 janoary 2013 io fepetra io. Natao hanaraha-maso sy hamantarana mialoha ny olona miditra eto Madagasikara ity fepetra ity, fa ny mpandinika dia mahatakatra tsara fa i Marc Ravalomanana no tena kendrena amin’ity, sao
Efa nazava ny resaka fa tetika hanakanana indray ny fahatongavan’ny filoha teo aloha izy io, ary navoaka taorian’ny fanamafisan’ny fivorian’ireo filoham-panjakan’ny SADC fa tsy maintsy ampiharina manontolo ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha-20. Re ihany koa fa efa misy tandapa sasantsasany akaiky ny filohan’ny tetezamita mihevitra fa mety ho avy eto Madagasikara, amin’ny 23 janoary na aoriana kelin’io Atoa Marc Ravalomanana, koa noho izany dia efa nieritreritra ny paikady hasolo ny NOTAM sy hanakanana izany mety ho fahatongavana izany izy ireo.
Tsy tongatonga ho azy araka ny efa nitaterana azy teto ihany koa ny fitsidihan’i Andry Rajoelina ny tany Israely fa dia nisy antony iray na roa mazava tsara, ka tafiditra ao anatin’izany ny mety hisian’ny fiaraha-miasa ara-miaramila, ka omaly dia efa nahoraka ny resaka fa hisy “commando” Israeliana ho avy eto hanofana ny miaramila malagasy fa indrindra ireo izay ao anatin’ny FIS na Forces d’Intervention Spéciale tarihan’ny kolonely Lylison de Roland. Hatreto aloha dia hita fa tsy mbola niova tamin’ny heviny i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa dia tsy mila an’izany Marc Ravalomanana miditra eto izany izy ireo fa tsy maintsy hampiasa ny fomba rehetra hanakanana ny fahatongavany, eny fa na dia tsy maintsy hampiasana hery aza izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.