Politique

Marc Ravalomanana «Aleo ihany manaraka ny ara-dalŕna»


  • Zoma 26 Febroary 2010

Na vita aza ny fifidianana kasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) hatao, dia tsy hisy hankato sy tsy hisy hanaiky izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary tsy hahita lalam-bola ho amin’ny fampandrosoana i Madagasikara, hoy ny filoha Ravalomanana raha niditra tamin’ny antso an-tariby mivantana teny amin’ny kianjan’ny ara-dalŕna ny tenany omaly.

 

Raha tsy ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba no hampiharina eto Madagasikara, hoy izy nanamafy dia tsy hahazo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany isika. Notsiahiviny fa ny 80% maherin’ny vola ampiasaina eto Madagasikara dia avy amin’ireo mpamatsy vola vahiny avokoa. Araka ny fanazavany, dia nampanantena ireo mpamatsy vola sy mpiara-miasa vahiny ireo fa raha vantany vao miverina ny ara-dalàna eto Madagasikara dia hiverina haingana ihany koa ny fiaraha-miasa. «Tsy maintsy hatao izay mampiray ny feo ho amin’ny fankatoavana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba», hoy izy.
Raha tsy tanteraka hatramin’ny 16 martsa ny fanatanterahana ireo fifanekena sy fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba dia efa niala tsiny ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Vondrona Afrikanina, fa tsy maintsy hihatra ny sazy, hoy ihany ny filoha Ravalomanana. Tsy hihemotra ny fampiharana izany sazy izany, raha ny fanazavany. Fanontaniana maro no mby ao an-tsain’ny rehetra, hoy izy, ny amin’izay antony sy tanjona tian’ireo manana ny fahefana ankehitriny tsy hanekena ny fampiharana ireo efa nosoniavin’ireo lehiben’ny ankolafy efatra. Fahefana mandalo ihany, hoy ihany izy nananatra ny FAT, satria fahefana tsy azo antoka. «Aleo ihany manaraka ny ara-dalàna», hoy Ravalomanana izay miantso ny vahoaka rehetra hiady sy hijoro hatramin’ny farany satria tany amin’ny faramparan’ny taona 2008 tany dia teo amin’ny 7% teo ny fiakaran’ny harin-karena, ary ankehitriny dia any amin’ny 0% izany. Mirongatra ny tsy fandriampahelamana, tsy vitsy ireo zaza malagasy no tsy afaka mianatra intsony ary tsy vitsy ihany koa ireo zara raha misakafo ankehitriny. Manoloana ireo rehetra ireo indrindra no iantsoany ireo manana ny fahefana ankehitriny ny tenany mba hieritreritra sy handinika ny amin’ny hoavin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT