Sahy ary efa vonona handray fahefana amin’ny taona 2018 i Marc Ravalomanana sy Tiako i Madagasikara,izany no anton’ny fitsidiham-paritra sy fihaonana amin’ireo mpikambana TIM ary hanatontosoana fampihofanana ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny antoko manerana ny nosy.
Mahalala tsara ny fahasahiranan’ny Malagasy i Marc Ravalomanana ary mahita imaso ny zava-misy amin’ireo toerana rehetra alehany, misy ny zavatra tsy hananantsika fahefana fa tsy maintsy ataon’ny fitondram-panjakana tahaka ny fametrahana ny fandriampahalemana hoy izy raha niresaka tamin’ny vahoakan’Ambatondrazaka sy ireo mpikatroka TIM izy ny sabotsy lasa teo; nalaina tamintsika ny fahefana ka tsy maintsy halaintsika indray.Afaka miasa,manohy sy manatanteraka ny fandaharanasany ny Tiako i Madagasikara rehefa tafaverina eo amin’ny fitondrana isika hoy hatrany i Dadavalo.Amin’ny alalan’ny fifidianana izany hoe ara-pomba demokratrika no iverenana eo amin’izany fitondrana izany , hoy hatrany izy.
Firaisan-kina, fanavaozana
Ilaina anefa ny firaisan-kina raha tena tiantsika ny hanavotra ny firenena hoy ny Filoha Marc Ravalomanana tany Ambatondrazaka. Afaka mampanantena avokoa ny rehetra hoy izy saingy mahavita ve ireny olona ireny.Mbola nohamafisiny hatrany fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena izy mba hanafaka ny Malagasy amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny firenena izao. Nambarany fa tsy hiady amin’ny Malagasy tahaka azy izy fa ny hitondra fanavaozana ny firenena . Malagasy rehetra mihitsy no mila miray hina hoy izy fa tsy ny antoko tiako Madagasikara ihany.Nentaniny ny mpitarika TIM any alaotra mangoro mba hahay hifampiresaka amin’ny sokajin’ ny olona rehetra. Ireo olona teny amin’ny lalana nolalovan’I Dada dia nangataka nifampitafa taminy. Tsapako ny fahoriana mahazo antsika hoy izy koa sahia hiara-dia ho fialana amin’izany.Nisy ny fividianany kapa ho an’ireo ankizy sahirana nifanena taminy teny an-dalana.Tomefy olona tanteraka ny tao amin’ny espace Laza niandry ny toromarika avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Fiaraha-misakafo no namaranana ny fotoana.
RTT sy Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.