Politique

Marc Ravalomanana Akaikin’ny vahoaka hatrany


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Any Mahajanga nanomboka omaly Atoa Marc Ravalomanana, sady miala sasatra no miresaka sy mihaino ireo Malagasy sendra azy na eny an-dalana io na amin’izay faritra nijanonany.

Mijery ny zava-misy ary manontany ihany koa ny hetahetan’ny olona, mahaliana ny olona hatrany ny fihaonana amin’ity filoham-pirenena teo aloha ity, izy rahateo moa tsy mihafahafa ary talentany ilay fifaneraserana amin’ny olona. Omaly hariva dia efa nivory niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny Tiako i Madagasikara ao Mahajanga ny tenany ary namelabelatra tamin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny « leadership » na fitarihana mahomby amin’ny zava-drehetra atao. Nahaliana tokoa ny mpanatrika ny resaka ary nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny alalan’ny fanontaniana naraham-baliny maro samihafa. Noporofoin’i Marc Ravalomanana teto indray ny maha « Ramose » azy, tsy mitsahatra ny mampianatra sy mizara ny traikefany amin’ny hafa. Na dia maharaka tsara ny vaovao politika eto amin’ny firenena aza i Dada dia tsy mandany andro amin’ny adilahy politika fa kosa mitety faritra sy mijery ifotony ny tena fomba mahomby hampandrosoana ny firenena ka fototra iorenan’izany ny Malagasy, izay no mahatonga azy tsy mitsahatry ny manokana fotoana ifampiresahana amin’ireo olona sendra azy. Azo atao tsara ny mamadika ho fandaharanasa azo tanterahana ireny hetahetam-bahoaka ireny , izy rahateo moa efa nilaza fa kandida ho filoham-pirenena. Tsy mora izany fa mila fiomanana goavana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT