Politique

Marc Ravalomanana : Ady tombontsoa no fototry ny krizy eto


  • Zoma 26 Martsa 2010

“Matoa misy izao fahasahiranana mianjady amin’ny firenenna sy ny vahoaka Malagasy izao, dia misy mitady hangeja indray ny harentsika. Miantso ny vahoaka Malagasy hijoro hatramin’ny farany, na hilefitra dia ho lasan’ny sasany avokoa ny harentsika”.

Santionany tamin’izay nolazain’ny filoha Marc Ravalomanana io raha nitafa tamin’ny mpanao gazety Malagasy ny tenany omaly, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby mivantana nandritra ny ora iray teo, niainga avy tany Afrika Atsimo. Manana andraikitra lehibe amin’izao krizy izao i Frantsa na ny eto an-toerana izany na ny any ivelany, hoy izy. Manoloana izany indrindra no nanaovany antso avo amin’i Frantsa fa tokony ho reharehan’ity mpanjanaka fahiny ity i Madagasikara raha afaka mandroso satria manan-karena. Tsy misy antony tsy iaraha-miasa raha samy manana ny tombontsoany, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy misy firenena hahavita tena, hoy ihany izy. Momba ny raharaham-pirenena dia nambarany fa tsy avy amin’ireo filoha telo : Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert ny sakana fa avy amin’i Andry Rajoelina. Izany indrindra no nahatonga ny Vondrona Afrikanina nampihatra ny sazy ho an’ny olon’ny ankolafy Rajoelina. Olona voasazy no mitondra ny firenena ankehitriny, hoy izy. Fitondrana tsy ara-dalàna no mijoro eto ary tsy misy firenena na iray aza hanaiky izao fanjakana mijoro izao, na hanao fifidianana maro aza, raha toa ka tsy mbola ny satan’i Maputo na Addis Abeba no arahina.

Tsy manda fifidianana aho, hoy i Marc Ravalomanana fa ny fanomanana azy sy ny fizarana andraikitra eo anivon’ilay governemantan’ny fampiraisam-pirenena no tokony himasoana. Mbola vonona hifampidinika hatrany koa ny tenany, raha ilaina izany, hikaroham-bahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Araka ny fantatra dia rehefa tafatsangana ny governemantan’ny tetezamita iraisana, milamina ny tontolo politika dia afaka hiverina an-tanindrazana ny tenany. Tetsy an-danin’izany dia nohamafisin’i Marc Ravalomanana fa dia nisy tokoa ny vola nomena ny tafika, ny polisy ary ny zandary tamin’ireny fotoana nampamaivay ny krizy ireny, ary tsy tamin’ireny ihany fa na teo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny zava-mahadomelina dia nisy hatrany izany. Ankoatra izay, manoloana ny didim-pitsarana dia nahitsy ny teniny nilaza fa dia “mahamenatra” ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mifangaro ny fampitahorana, ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana. “Tsy misy idirako na kely aza, tsy anisan’ny nanao sonia, fa nihevitra ny hanatsara, hanampy ny tantsaha”, hoy Ravalomanana raha nanontaniana momba ny didim-pitsarana tamin’ny raharaha fanotorana tany tetsy Andohatapenaka. Fa ankoatra ireo rehetra ireo, dia taratra tamin’ny fiteniny fa dia tomady ny filoha teo aloha, nanamarina izany rahateo ny tenany. Nantitranteriny fa zava-dehibe ny hirosoana ny fampihavanam-pirenena, hifamelan’ny samy Malagasy mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT