Politique

Marary tanteraka ny firenena Mila “Vonjy Aina”


  • Alarobia 29 Septambra 2010

Rehefa nanao fivoriambe ny SECES ny alatsinainy 27 septambra 2010, dia nanapa-kevitra ny mpampianatra fa hatao avy hatrany ny fitokonana mba hitakiana amin’ny tomponndraikitra ny fanatanterahana ny teny nomeny sy ny taratasy nosoniaviny.

Votoatin’ny fitakiana ny fahatongavan’ireo vola fampandehanan-draharaha, izay raha esorina ny vatsimpianarana sy ny karaman’ny mpiasa dia vao ny 10% ihany no tonga nefa ny taom-pianarana roa volana sisa dia tapitra. Mitaraina any amin’ny departemanta isanisany fa na dia ny vola hamidy tsaoka aza miala am-paosy noho ny fitiavana ny mpianatra sy ny tanindrazana. Efa novitaina ny fampianarana ary efa nalefa ela any amin’ny tomponandraikitra voakasik’izany ny taratasy fampahatsiahivana izany tsy fahampian’ny vola fampandehanan-draharaha izany nefa dia misy mamono sofina. Ny mahazendana aza dia ny fandrenesana amin’ny haino aman-jery ny fitanisana fandaniana volabe hanaovana fotodrafitrasa etsy sy eroa.

Fitakiana faharoa ataon’ny SECES ny fandoavana ny «heures complémentaires» sy ny karaman’ireo mpampianatra «vacataires». Isan-taona mantsy, amin’ny fotoana ohatra izao, dia efa voaloa ny ampahany voalohany amin’ireo karama ireo raha vao vita ny enim-bolana voalohany. Ny asa vita dia tokony handraisana ny tambiny ary ambetin-dresaky ny mpampianatra ny hoe : niasa nanasoa ny zanaka malagasy ny mpampianatra nefa tsy omena ny tambiny mifanandrify amin’izany. Ireo mpikambana ao amin’ny HAT anefa mandray am-polony tapitrisa isam-bolana. Mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ny roalahy amin’izy ireo, izay tsy sahy nanatrika ny fivoriana, na dia SECES nafana fo aza taloha. Eo koa ny fitakiana ny fampiharana ireo didim-panjakana telo 2009/1214, sy 2009/1215 ary ny 2009/2016 natao ny 6 oktobra 2009. Ireo dia momba ny «Déplafonnement», sy ny «indemnité de recherche» ary ny «indemnité de sujetion».
 
Fampanantenana ny handoavana azy ireo lava izao no atao amin’ny mpampianatra toy ny fanaon’ny fitondrana FAT ihany amin’ny sehatra maro samihafa. Tezitra, araka izany, ny mpampianatra satria heverina ho toy ny zazakely. Tezitra ihany koa ny mpampianatra satria nisy nanely tsaho fa ireo mpitondra politika teo aloha sesitany politika no ao ambadiky ny fitokonan’izy ireo. Tena fiheverana ny mpampianatra ho tsinontsinona mihitsy izany araka ny filazan’ny mpampianatra ihany. Araka ireto mpampianatra ireto dia ny maha izy anao mihitsy no tena mampieritreritra raha ny taratasy nosoniavinao izao no tsy tanterahinao. Lesona ratsy avela ho an’ny taranaka mihitsy izany, ary tsy manaiky an’izany ny tena mpanabe. Tsy afa-bela, araka izany, fa hosoratana ho tantara ny resaka sonia natao, nefa lavina avy eo, nandritra ity fitondrana niorina avy amin’ny fanonganam-panjakana ity. Nisy nilaza ihany koa moa ny mpampianatra sasany hoe : «tsy noterena ianao nanao sonia ireo didim-panjakana ireo ka dia raiso ny andraikitra fa rehefa tsy zaka aleo miala». Feno ny kapoaka, manginy fotsiny ny filazan’ny sasany hoe : «maika ery ny mpitondra milaza mahita vola hananganana fotodrafitrasa etsy sy eroa hakana ny fon’ny olona nefa ny tambinkarama kely io aza tsy voaloa».
 
Fa voakiana mafy tamin’ity fivoriana ity ny tsy niantsoan’ny Raiamandreny Mijoro ny fikambanan’ny mpampianatra misy eny amin’ny Oniversite tamin’ireny fihaonambem-pirenena ireny. Ny mpampianatra ihany moa no namaly fa «efa fantatry ny Raiamandreny Mijoro fa tsy hanaiky ireny hevitra tinapaka ireny ny olona manan-tsaina ka tsy sahy niantso izy ireo». Aiza tokoa moa no hanekena olona hoe sonia nataony aza sahiny ny mitsipaka azy. Aiza no hanekena fa fampihavanana sy filaminana no atao nefa sivanina ny gadra politika azo omena “famotsoran-keloka”. Azo antoka fa tsy hanaiky an’izany raha mpampianatra eny amin’ny Oniversite manana ny maha izy azy.
 
Ny endri-javatra toa ireo dia maneho fa marary tanteraka ny firenena ka mila "vonjy aina" sy olona afaka hitsabo haingana ny aretina. Manaporofo mantsy ireo toe-javatra ireo fa sady tsy hahavaha krizy ny fihazakazahana hanao fifidianana, kanefa ny zon’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpiasan’ny oniversite ary ny mpitsara amin’ny tambinkarama sy ny karamana mpiasa 1400 monja eny amin’ny anjerimanontolo tsy heverin’ny FAT akory ny hitady vahaolana aminy. Mila olona toa an’i Raymond Ranjeva efa nanolotra soso-kevitra ametrahana fitondrana tetezamita tsy miandany fa mitera-bokatsoa ary mafy orina hijery manokana ny soa ho an’ny vahoaka mialoha ny hivoahana amin’ny krizy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT