Feno roa taona anio ny nanaovana ny fifanarahan’i Maputo voalohany na Maputo I, satria ny alin’ny 8 aogositra 2009 no nosoniavina ilay fifanarahana ka ankolafy 4 no nanatanterka izany dia ny ankolafy Zafy Albert, Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina.
Niavaka io fotoana io satria izay vao nisy filoham-pirenena maro nifandimby tahaka izany nihaona sy nidinika teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Raha tsorina ny resaka dia filoha nifanongana ireo nihaona tao an-drenivohitr’i Mozambika ireo mba hikaroka vahaolana amin’ny krizy. Fifanarahana niisa enina no nodinihana sy nosoniavina tany ka raha fintinina izy ireo dia mahasahana ny olana ara-politika sy ara-piarahamonina nitranga teto tao anatin’ny fito taona. Teo ohatra ny momba ireo nanao sesitany ny tenany, ny momba ny filoha teo aloha isany Ravalomanana sy Ratsiraka ary ny fifandaminana isan-karazany amin’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana sy ankatoavin’ny rehetra.
Noferana ho 15 volana ny faharetan’ny tetezamita tao amin’io fifanarahana politika tany Maputo io, ary fifidianana filoham-pirenena no alefa mialoha. Efa Atoa Joaquim Chissano moa no nitarika ny vondron’ny mpanelanelana tamin’izany fotoana fa ireo mpiara-miasa aminy fotsiny no niova teny am-pandehanana teny. Nitsefotra ny Maputo I, tsy nahomby ny Maputo II sy ny tany Addis Abeba, niitatra ny tetezamita efa ho telo taona izao. Tsy manaiky ny hizara fahefana ny FAT ary nanao izay fomba rehetra haminganana ireo mpifanandrina aminy. Rehefa tena dinihana tsara ny tranga rehetra dia tsy ny Ankolafy 3 izany mihitsy no sakana fa i Andry Rajoelina sy ny ekipany izay mihevi-tena fa mahavita mitantana irery an’i Madagasikara sy mamaha ny krizy, dia ambara fa mpangalatra sy mpamono olona ny hafa.
Tsy mety hita anefa ny vahaolana, fifidianana feno tandrevaka iray no vita, ary hatramin’izao, tsy fantatra izay ny fifidianana hatao amin’ity taona ity. Trotraky ny politikam-pitantanana sadasada mandroso mihemotry ny FAT ny Malagasy ary efa tena miantraika isan’andro amin’ny fiainana ny krizy. Raha nampiharina sy narahana anefa taorian’ny fanitsiana mety tsy maintsy natao ny satan’i Maputo dia mety mba efa hafahafa kokoa ny zava-misy ary tsy marary tahaka izao ny toekarem-pirenena, tsy dia misy fahasamihafana be tamin’ny natao tany Maputo ny sori-dalana misy amin’izao fotoana fa mety ny fehezanteny no niova, fa mbola ao daholo ireo foto-kevi-dehibe roa taona lasa izay. Dia mbola hidongy tsy hanasonia sy tsy hampihatra izany indray ve sanatria ny FAT satria afaka miverina eto Atoa Ravalomanana ? Fomba fitenin’Atoa Andry Rajoelina ny hoe “ampy izay fa efa betsaka ny fandeferana nataoko”, sy ny hoe “tsy maintsy hitantsika ny vahaolana na misy manampy isika na tsia”; 2 taona aty aorian’ny Maputo I anefa tsy hita ihany izay tena marina, mijaly ny Vahoaka, mitombo ny tsy an’asa, mirongatra ny asan-jiolahy, malaza ratsy amin’ny trafikana andramena sy zava-mahadomelina i Madagasikara, ny mpitondra ao amin’ny FAT amin’izany miha manankarena sy mifaninana manao trano ary mividy fiara raitra dia raitra, ary tahaka ny tsy maika amin’izany famahana krizy izany intsony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.