MAP

TGV Aiza no toerana hivoriana manaraka ?


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Saika resabe tato ho ato ny mety hisian’ny fihaonana eo amin’ireo filoham-pirenena telo teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita ankehitriny

 Etsy andaniny ny fikononkononan’ireo hery politika samihafa sy ireo fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny ny hisian’ny fifampiresahan’ny samy Malagasy. Ankoatra izay ny fanatanterahana ny fanaovan-tsonia ny sori-dalan’i Simao. Hatreto aloha, ny toerana hanatanterahana ireo rehetra voalaza ireo no mampametra-panontaniana ny maro. Raha ny hevitry ny mpanao politika maro aloha, dia tokony ho eto an-tanindrazana ihany no hisian’ny rehetra, na io sonia na io dinika vaovao.

Rehefa natao ny famakafakana, dia saika efa tapitra notetezina ny toerana voarakitra tao amin’ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) izay anisan’ny teny filamatra nilofosan’ny filoha Marc Ravalomanana, izany hoe ny Maputo, ny Addis-Abeba ary ny Pretoria. Tamin’ireo, dia tsy nanaiky lembenana ary tsy nety handefitra mihitsy ny filoha Marc Ravalomanana. Rariny ny azy...

Efa saika mamaramparana ny azy ihany koa ry zareo TGV (Tanora mala-Gasy Vonona) ankehitriny ary mety amin’ity farany ity vao ho hita ny lalana hivoahan’i Madagasikara ao anatin’ny krizy. Taorian’ireo toerana voalazan’ny MAP mantsy, rehefa tsy nisy nahomby ny natao, dia nisy indray ny fihaonambem-pirenena tetsy Ivato. Teto Tanà izany raha ny marina. Tsy nety afa-po ny rehetra fa mbola nitady ny tsaratsara kokoa ka dia roso tao Gaborone ny dia. Tsy netinety tamin’ny sasany indray anefa ny fanapahan-kevitra nivoaka avy any, ka dia eo ilay hoe tsy maintsy hisy iray ho tanteraka amin’ireo notanisaina teny am-boalohany. Na io fihaonana eo amin’ireo filoham-panjakana telo sy ny filohan’ny tetezamita na io fihaonana fampihavanana ny Malagasy na io fanaovan-tsonia ilay sori-dalàna nasiam-panovana.

Raha ny tombantombana tsotsotra araka izany, dia etsy Vontovorona no hifarana ity raharaha ity, indrindra fa maro ireo mitaky ny hanatanterahana ny fikatsaham-bahaolana eto an-toerana ihany.

Asa aloha ! Ampitso koa mahita izy, fa ny azo ambara dia efa mety ho hita soritra ny lalana hivoahana amin’ity krizy lavareny ity. Mety ho MAP (Maputo, Addis-Abeba, Pretoria) sy TGV (Tanà, Gaborone, V...?) Na ho atsy Venise !

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT