Politique

Manorohanta Cécile Tratry ny tazom-pahefana


  • Talata 18 Desambra 2012

Any Antsiranana indray Rtoa Manorohanta Cécile no mikasa ny hanarina ny fahavoazany eo amin’ny politika.

 Nirotsaka ho kandida  filohan’ny oniversiten’Antsiranana izy, nifaninana tamin’Atoa Charles Bernard, filoha am-perinasa. Natao omaly ny fifidianana. Departemanta dimy no misy ao amin’ity oniversite ity, ka departemanta iray mira vato iray. Sahala ny vaton’ny roa tonta, samy nahazo roa avy, PAT (mpandraharahan’ny oniversite) sy ny fakiolten’ny Teny aman-tsoratra nifidy an’i Manorohanta, ny Ecole Normale sy ny Polytechnique kosa nifidy an’i Charles Bernard. Nitovy ny vato azon’ireo kandida tao amin’ny Siansa, samy nahazo 18 isa avy, iray kosa vato maty nefa mety nanova zavatra. Vokatr’io fitovian’ny isam-bato io hatrany, dia voatery haverina ny fifidianana tao amin’ny Siansa, hamoaka izay ho filohan’ny oniversiten'Antsiranana.

Nitety ministera maromaro i Manorohanta Cécile, minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony avy eo minisitry ny fiarovana tamin’ny fitondran-dRavalomanana. Nametra-pialana taorian’ny raharaha 7 febroary. Notoloran’ny Frantsay mariboninahitra, “Commandeur de la Légion d'Honneur” izy ny volana jolay 2009. Efa nataon’i Andry Rajoelina, praiminisitra lefitra misahana ny atitany izy tato anatin’ny tetezamita izao. Eo no mampametra-panontaniana ny maro ihany hoe, inona no mampifikitra an’i Manorohanta Cécile amin’ny toeran’ny filohan’ny oniversiten’Antsiranana, toerana izay efa notanany talohan’ny nanendrena azy voalohany ho minisitra, sa tratry ny tazom-pahefana ?

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT