Lany teny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ny alatsinainy 10 desambra teo, rehefa naverina nodinihina ireo volavolan-dalŕna mikasika ny famatsiam-bola ny tetikasa PUPIRV sy ny mikasika ny PAUSEENS (Projet d’Appui d’Urgence aux Services Essentiels de l’Education, de la Santé et de la Nutrition) vatsian’ny IDA vola mitentina 23,5 tapitrisa dolara.
Mikasika ity farany dia nambaran’ny minisitra Manoro Régis mbola tonga niaro faramparany ny tetikasa teny Tsimbazaza tamin’io fa hampiasaina any amin’ny Faritra dimy dia Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary any Androy ny vola azo amin’ity tetikasa ity manomboka ny 31 janoary 2013 ka hatramin’ny 30 jolay 2016. Ny 10,2 tapitrisa dolara dia hanampiana ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM. Ny 7,8 tapitrisa dia hoenti-manampy ny FCL (Fonds catalytiques locaux). Ny 1,5 tapitrisa dolara dia hanampiana ny fahasalamana an-tsekoly ary ny 4 tapitrisa dolara dia hanamafisana ny traikefa.
Raha mikasika ny olana teo amin’ny ministera sy ny sendikan’ny mpampianatra dia nambaran’ny minisitra fa tsy mahita disadisa intsony izy ankehitriny fa efa miverina miasa daholo ny ankamaroan’ireo mpampianatra nitokona. Efa hitantsika tamin’ny fotoam-panokafana ofisialy ny taom-pianarana tany Toliara farany teo, hoy izy, fa nanao fanambarana ofisialy ny mpitarika vaovaon’ny SEMPAMA fa mitohy ny tolona fa amin’ny endrika hafa kosa no hitondrana izany manomboka eto. Raha ny fahatapahana karaman’ireo mpampianatra nitokona indray dia nambaran’i Manoro Régis fa mora ny manapaka fa sarotra ny mamerina. Mbola misy pitsopitsony arahina mantsy any amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sady tsy maintsy hamarinina izay tena miverina, sao dia tsy ny tena izy indray no mahazo famerenana karama.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.