Elaela no tsy nahenoana intsony ny minisitry ny fanabeazana teo aloha sady mpikamban’ny antoko UNDD, Manoro Regis, naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.
Nandritry ny lanonana fanomezana mari-boninahitra noho ny nahavitany be teo amin’ny fanabeazana tetsy amin’ny ENS Ampefiloha azy omaly kosa no nilazany tamin’ny mpanao gazety fa mampanahy raha izao zava-misy iainana ankehitriny izao no hirosoana amin’ny fifidianana. Nihomehezan’ny olona izahay, hoy ny tenany tamin’ny 2002 raha nilaza hoe mila manao fampihavanam-pirenena. Novohizina tamin’izany ny hoe iza no hampihavanina ? Amin’izao fotoana izao anefa, hoy izy, dia samy mahatsapa ny rehetra fa ilaina izany saingy mbola ilay mandeha ila sy efa misy rafitra voapetrapetraka mialoha tsy ampy fifanatonana ihany no tontosain’ilay rafitra vaovao hoe CFM natokana hisahana izany ka mbola mampanahy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.