Misahotaka ireo mpanao politika mpiara-dia amin’ny FAT raha vao nandre fa dia ho avy ny iraky ny SADC, vao mainka nipatitaka rehefa nivoaka ny filazana fa ny alakamisy 30 septambra, anio izany, no higadona eto ny delegasiona izay hotarihin’ny Dr Leonardo Simao.
Ny fahatongavan’izy ireo mantsy dia midika fa tsy mbola misy raharaha milamina eto, raha efa mba nieritreritra hiroso amin’ny fifidianana ny FAT. Tsy vitan’ny tonga fotsiny mantsy fa ity iraka ity no hanangana ny birao fifandraisan’ny SADC eto, hanaraka akaiky ny fanelanelana ary hanome tanana ny Malagasy izay hita fa sempotra tokoa. Mitsangam-bolo ny FAT, satria dia hiverina “zéro”, toy ny tsy nisy, indray izany ireo zavatra efa mba nisahiranany. Atao ahoana tokoa moa fa ny fahendrena Malagasy ihany no efa nananatra fa ny tondro tokana tsy mahazo hao, ny hazo tokana tsy mba ala, ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Efa ela izay, ny tanety lava rahateo misy hisainana. Raha misy marina ny fitiavan-tanindrazana tsy hisy hiziriziry amin-javatra efa nanapotika ity firenena ity na koa hisisika amin’ny fifidianana tsy ankatoavin’ny besinimaro. Basy aman-tafondro no nandrombahana fahefana teto, hoy Raveloson Constant nefa ankehitriny toa tadiavina hotsofin-drano amin’ny fifidianana hatao amboletra indray, amin’izay mbola misy Malagasy maro tsy ao anaty lisi-pifidianana tadiavina hoverezin-jo.
Tsy mampandry ny eritreritra izany. Sady nahitsy no teny fampieritreretana ny nilazany fa olona manitsakitsaka ny demokrasia ve no hikarakara fifidianana ? Manoloana izany dia mafana ny hetsiky ny Ankolafy telo etsy amin’ny Magro Behoririka ary hihamafy izany amin’ity herinandro ity, izay hitohy hatramin’ny alahady. Sady hisy hetsika eny amin’ny Magro Tanjombato no hisy koa eny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry, amin’io andro io hanehoan’izy ireo ny heriny. Araka ny fantatra mantsy dia miomana amin’ny fiverenan’ireo filoha roalahy sesitany an-tanindrazana ny Ankolafy Telo. Manakaiky izany na tsy nivantana aza ny tenin’i Constant Raveloson tao amin’ny Magro omaly nampiomana fa ny “adidintsika dia mamerina ny filoha Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka an-tanindrazana ka miaro sy manampy azy ireo miaraka amin’ny filoha Zafy Albert handamina ny raharaha, ary hanery ny FAT hidinika amin’izy ireo rehefa tonga eto”.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.