Ny tantara dia mbola mitohy ! Nosamborin’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny kolikoly teny Mahamasina omaly tolakandro Razaimamonjy Claudine, ilay mpandraharaha vavy tompon’ny hotely A&C eny Ivato ary malaza ho olona akaiky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Avy nijery baolina baskety, nanotrona ny ekipany TMBB tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena izy no nandrasan’ny olon’ny Bianco nampian’ny zandary teo ivelany. Somary nampiaka-peo ihany ramatoa, saingy efa nivonona tamin’ny zava-drehetra koa ireo mpamita iraka. Nampidirina tao anaty 4x4 izy ary nentina avy hatrany nihazo an’Ambohibao misy ny foiben-toeran’ny Bianco hatao famotorana. Ny loharanom-baovao iray no milaza fa tohin’ny raharaha Ambohimahamasina, kaominina ambanivolo any Ambalavao Tsienimparihy nisian’ny famindrana volam-bahoaka ho amina kaontin’olon-tsotra tamin’ny fomba tsy mazava no antony, izay efa niantsoana azy teny amin’ny Bianco hatao famotorana niaraka tamin’ireo Ben’ny tanàna roa lahy sy Tale iray ao amin’ny minisiteran’ny Atitany saingy tsy nipoitra izy. Navotsotra ihany koa moa ireto farany rehefa tonga teny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Tena izy sa sinema ity fisamborana ity ? Betsaka no midera ny fahasahian’ny Bianco mampiseho fa misy finiavana hamongotra ny kolikoly ataony. Tsy vitsy koa anefa no mametra-panontaniana hoe : kisendrasendra sa nokajiana ho tamin’izao fotoana izao mihitsy ity fisamborana an-dRazaimamonjy Claudine ity mba hanodinana ny saim-bahoaka, manoloana fiakaran’ny feo taorian’ny fampiatoana nisesy Ben’ny tanàna tsy miara-dia amin’ny fanjakana toy ny tao Port-Bergé, Mahajanga sy Toamasina. Teo koa ny raharaha Antsakabary, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana sy ny fitsaram-bahoaka, ary koa ny fidangan’ny vidim-piainana. Sa tena izy, mba hanaovana pi-maso amin’ireo mpamatsy vola, hivoahan’ilay volabe 10 miliara dolara nanaovana laza masaka hatramin’ny desambra 2016, nefa hatramin’izao tsy hita hantenaina, nefa tsy very hafoy ? Loharanom-baovao hafa koa no mitatitra fa mikasa hanohana kandida hafa hifaninana amin’i Hery Rajaonarimampianina ity mpandraharaha ity amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ka dia faizina. Tompon’andraiki-panjakana ambony maro no hisaringotra amin’ity raharaha ity, raha mandeha tsy misy teritery tokoa ny famotorana, ary mety ho io no lalana hanesorana amin’ny toerany ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay efa hirahirain’ny zanak’i Sofia rahateo. Vao voasambotra moa i Claudine Razaimamonjy omaly hariva dia nanapa-kevitra ny hanidy tanteraka ny hotely A&C teny Ivato ny mpitantana tao, noho ny tahotra sao misy mandroba"
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.