Politique

Manoela Voasambotra ary tanana eny Betongolo


  • Alarobia 16 Jona 2010

Anisan’ireo tanora nandray ary mpandray fitenenana ao amin’ny hetsiky ny ankolafy telo i Manoela. Teny amin’ny Magro Ankorondrano no nahalalan’ny olona ity zanak’i Toliara ity ary mitohy hatreny Tajombato sy Behoririka izany.

 Solontenan’ny Tanora Marc Ravalomanana na TMR ny tenany. Omaly dia isan’ireo nandaha-teny tao Behoririka i Manoela. Rehefa handeha hody iny izy, hihazo an’Ankadindramamy, dia nandray taxibe teny ambany tetezana Behoririka. Araka ny vaovao dia nisy fiara 4x4 nanaraka ilay taxibe nandehanany. Rehefa tonga teny Besarety dia nosakanan’ny zandary ilay taxibe ka nasainy nanaraka azy ireo tsimoramora niakatra an’i Mangasoavina hihazo an’i Betongolo. Rehefa tonga teny amin’ny tobin’i Betongolo ilay taxibe dia efa niandry teny an-toerana ny kolonely avy amin’ny Emmo-Reg. Nosavaina ilay taxibe ka rehefa hitan’izy ireo i Manoela dia notondroina avy hatrany ary nilazan’ny kolonely fa “midina fa ianao no tadiavinay”. Saika hosavaina avokoa ireo mpandeha tao anatin’ilay taxibe fa hoe sao mbola nisy naman’i Manoela kanefa moa dia nalefan’ireo mpitandro ny filaminana ihany. Raha hiverenana dia anisan’ireo mpandray fitenenana eny an-kianja i Manoela, mahitsy fitenenana izy rehefa miteny, koa asa na mety ho izay no nisamboarana azy na mbola tohin’ny raharaha FIGN ihany koa. Hatramin’ny fotoana nanoratana aloha dia tsy fantatra mazava izay mety hiandry ity tanora zanak’i Toliara ity mandritra sy aorian’ny famotorana. 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT