Noraisin’ny mpiara-mitolona aminy tao Toliara ho tahaka ny mahery fo i Manoela omaly tamin’ny fiverenany voalohany tany an-toerana taorian’ny nivoahany ny fonja. Amin’izy ireo dia ohatra velona amin’ny fitiavan-tanindrazana ity mpitarika ny tolona eo anivon’ny ankolafy telo ity.
Na dia teo aza mantsy ny fanenjehana sy ny fisamborana ary ny fanagadrana azy dia mbola sahy nijoro izy ary nilaza hatramin’ny farany fa mitohy ny tolona ary tsy miala amin’i « Dada » izy. Noho izany fandraisana makotrokotroka izany dia nisy ny famonoana omby roa ho mariky ny nofon-kena mitam-pihavanana araka ny fomba any amin’iny faritra atsimo andrefan’ny nosy iny. Nandritra ny fihaonan’i Manoela tamin’ny vahoakan’i Toliara koa moa io omaly io dia niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka nanamafy fa mitohy ny tolona, tsy azo ekena ny fitantanan’ankolafy tokana ny firenena, tsy maintsy karohana ny fomba rehetra hamahana ny krizy, ary tsy maintsy miverina an-tanindrazana tsy ho ela ny tenany. Nampitombo ny finoana sy nankahery ireo mpitolona mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna tao Toliara tokoa izany hafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana izany ary nifanome toky ny rehetra fa mitohy ny tolona. Fantatra fa tsy ho ambakan’izao fitsenana an’i Manoela izao ihany koa ny ho fandraisana azy 7 mirahalahy mbola voatana am-ponja vonjimaika any Toliara noho ilay raharaha Radio Soatalily.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.