Politique

Manoela Nalefa eny Tsiafahy


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Tsy niandry ela akory fa omaly ihany dia efa natolotra ny Fampanoavana i Manoela rehefa nosamborin’ny Emmo-Reg tetsy Besarety afak’omaly ary natao fanadihadiana tetsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Betongolo.

«Fampirisihina ny olona hanao herisetra, fanalam-baràka ny filohan’ny tetezamita (nolazaina fa mpivarotena ny vadiny)», no tena vesatra mitantsoroka aminy, ka nahatonga ny fanenjehana, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny Emmo-Reg. Ankoatra izay dia mbola voalaza ihany koa fa nandrisika ny olona tsy hanangan-tsaina izy mandritr’ity fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ity, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Mazava izany izao fa raikitra amin’izay ny fisamborana sivily manodidina ny raharaha FIGN. Na dia tsy izany mivantana aza no tena vontoatin’ity fisamborana an’i Manoela ity dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana fa hita teny Mausolée koa ny tenany tamin’ny 20 mey ka mainka koa izany nandrisika ny Emmo-Reg tamin’ny fanarahan-dia sy fisamborana azy. Tsy io ihany fa efa mandeha koa amin’izao fotoana ny fikarohana tsikelikely ireo izay nandefasana «convocation» kanefa tsy nety tonga teny amin’ny zandary etsy Fiadanana. Mazava izany fa raikitra indray ny savahao ato ho ato. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT