Politique

Manoela ”Izaho tsy miova, Ravalomanana ihany”


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010

Nanamarika ny hetsiky ny mpomba ny Ankolafy Telo tao amin’ny Magro ny sabotsy teo ny fiverenan’i Manoela an-tsehatra toarian’ny nivoahany ny fonja ny alakamisy 16 septambra lasa teo.

Raha nisafidy ny hamitsaka na koa hipirina ireo nivoaka ny fonja nosazian’ity fitondrana FAT ity dia tsy hita soritra teny amin’i Manoela izany. Toa vao mainka aza nanefy azy hanana fahamatorana kokoa ara-politika ary nampirehitra ny hambom-pony ny 91 andro nisaziany tany am-ponja, ka nitetezany an’i Tsiafahy sy Antanimora. “Misaotra ny nampisambotra ahy. Tsy nangalatra, tsy nandoro trano, tsy namono olona i Manoela ary tsy nanongam-panjakana ihany koa”, hoy izy raha niteny tao amin’ny Magro. Ary nampiany fa “notambazana asa sy vola aho tany fa tsy hivadika velively amin’ny filoha Marc Ravalomanana”. Nohitsiany aza fa tsy hamelany izay nivadika taminy (Ravalomanana). Marihina fa anisan’ireo voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN ny 20 mey i Manoela. Amin’ity anio ity moa dia hisy tsiaro manokana ho an’ireo lavo efa-bolana lasa izay, nandritra iny fotoana iny, ao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka. Hotsaroana amin’izany i Dada Seth sy pastera Rivo (HMF). Feno hipoka ny Magro tamin’ny sabotsy teo.

Nampahery ny mpikatroka tao ny Gasy Tia Tanindrazana any Frantsa, marimarina ny GTT IDF, izay nitafa mivantana an-tariby. Nambaran’ny mpitondra teny fa tsy mipetra-potsiny izy ireo, fa manao izay manandrify azy ireo koa amin’ny fampahafantarana izao tontolo izao ny zava-misy marina eto taorian’ny fanonganam-panjakana niseho ny taona 2009. Nitohy teny amin’ny Villa Elisabeth ny hetsika omaly alahady. Voatsikera hatrany nandritra ireo fihaonana ireo ny vokatry ny fihaonambem-pirenena teny Ivato. Nanao valin-kafatra i Mektoub fa ho avy ny kaonferansa nasionaly tena izy. “Tsy manana fahefana ianareo hilaza fa tsy hisy dinika intsony eto satria tsy anareo irery i Madagasikara”, hoy izy manoloana ny tenin’ny pastera Ramino Paul tamin’ny kabary famaranana ny fihaonambem-pirenena.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT