Anisan’ireo mpitarika mafana fo eo anivon’ny Ankolafy Telo, i Manoela, ary efa niharan’ny fanaparam-pahefan’ny FAT ka naiditra am-ponja noho ny antony tsy dia maharesy lahatra firy raha ny lafiny lalŕna no jerena.
Tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana izy ka nanontaniana ny fahitany ny zava-misy eny amin’ny BANI Ivato, ary nivoahan’ilay fanambarana nataon’ny vondrona manamboninahitra eo anivon’ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena, izay namaky bantsilana ny fanapotehana ny firenena tato anatin’ny 18 volana ary nilaza ny faharavan’ny FAT sy ny rantsamangaikany. Araka ny nambaran’i Manoela ary dia : «Efa hatry ny ela no niandrasana ny fijoroan’ny foloalindahy tahaka ireny satria efa tena reraky ny krizy ny vahoaka ary tofoky ny fahasahiranana isan’andro vaky izao. Mazava tsara izao fa tena mbola misy ny tia tanindrazana ao amin’ny foloalindahy ary mijoro hiaro izany hatramin’ny farany».
Nanohizany ny fanazavany ny hoe : «Izaho manokana dia midera ny fihetsik’ireto manamboninahitra ireto ary mivavaka mafy mba ho tafita hatramin’ny farany ny hetsika satria mila famonjena ny tanindrazana ary tokony hitsahatra amin’izay ny tsy rariny sy ny kitoatoa mampalaza ratsy an’i Madagasikara amin’izao fotoana ». Manoloana ny adihevitra etsy sy eroa amin’ny firafitr’ity Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena ity, izay ahitana manamboninahitra nifanenjika sy azo atao hoe mpifahavalo mihitsy teo aloha dia tsotra ny hevitr’i Manoela : «Tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana. Efa niresaka tsara sy nilaza ny tao am-pony ny tsirairay avy ireo manamboninahitra ireo matoa afaka niara-dia tahaka izao. Tsy misy manana ny marina 100% izany eto fa samy manana ny fahadisoany avokoa, fa rehefa miresaka sy mifanazava tsara dia milamina ny raharaha. Ho anay avy any atsimo any dia tsotra ny fifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina, dia ny hoe tsy misy mitondra alahelo matory izany, fa mila vahana ny olana rehetra mialoha ny hilentehan’ny masoandro. Ary raha ny miaramila manokana no resahana dia manana ny fombany koa izy ireo raha ny fampihavanana io no resahana. Ambarako etoana fa izaho izao anie taloha mba tezitra tamin’ny filoha Ravalomanana ihany e ! Nanohina ny foko ny fifonana nataony tamin’ny martsa 2009 ary dia nadio nanomboka tamin’iny ny foko ary tsy misy lolom-po intsony. Mino aho fa zavatra tsy mifanalavitra tamin’izany no nahatonga io fiarahan’ireo manamboninahitra ireo» .
Nanamafy ihany koa i Manoela fa tsy mety raha ny vahoaka no hotaomina hanafika lapa, ary raha misy ny fifandomana dia ny basy samy basy ihany no tokony hifampiresaka fa tsy basy sy tanam-polo. Tsy azo sakanana amin’ny fanohanana ireo tandroka aron’ny vozona miady sy miaro ny tanindrazana kosa anefa ireo vahoaka tia tanindrazana, hoy ihany izy. Mino ity mpitarika eo anivon’ny ankolafy telo ity fa hisy vokany tsara ho an’ny firenena ity fijoroan’ny komity miaramila ho an’ny fanavotam-pirenena ary hanomboka amin’izay ny tena fanovana sy fanarenana an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.