Politique

Manjakandriana Tambazana 50.000Ar isan’olona ny Sefo Fokontany


  • Talata 02 Novambra 2010


Mitety faritra ireo ministra ao amin’ny governemanta manazava ilay volavolan-dalàmpanorenana hitsapana ny hevi-bahoaka amin’ny 17 novambra 2010 sy mitaona ny olona hifidy ary mangingina any ambadika any ny fampandaniana ny ENY. Tao Manjakandriana ny sabotsy 30 oktobra lasa teo, dia tonga tany an-toerana ny ministra mpiahy. Nisy ny famoriana olona, indrindra ireo voakasika mivantana amin’ny fampanjariana ny fifidianana. Taorian’ny fihaonana dia nanaitra ny olona ny zava-nitranga. Nantsoina manokana ireo sefo Fokontany, nasaina niditra tsiefatrefatra tao anaty efitra iray. Fantatra tao anatin’izany fa nomena dimy alina ariary isan’olona ireto sefo Fokontany ireto. Tsy nisy fanazavana mazava moa ny anton’ny nanomezana ny vola, fa resaka mandeha tety ivelany no nandrenesana fa nomena andraikitra hitaona ny olona ho avy handatsa-bato ary hampandany ny ENY ireto nomena vola ireto. Tsy matoky tena intsony ny mpitondra, hoy ny resaka mandeha. Volam-panjakana ihany anefa no atao fafikatrana hampandaniana ny ENY. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT