Nanatontosa ny fihaonambe nasionaly ny sabotsy teo teny amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary ny FEDeP (Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar).
Vontoatin’ny fihaonana ny fifanakalozana sy fampitam-baovao teo amin’ireo mpikambana manerana ny faritany 6. Efa tontosa hatreto ireo andininy vitsivitsy voalazan’ny tondrozotra mikasika ny fampihavanam-pirenena izay fepetra napetraky ny fianakaviambe iraisampirenena toy ny fanendrena ireo olona 9 ao amin’ny komity hitsonga ireo mpikambana eo anivon’ny CFM (Conseil du Fampihavanam-pirenena Malagasy), araka ny fanehoan-kevitra teny an-toerana. Efa nandefitra rahateo ny fikambanana tamin’ny tsy fahitana olona avy amin’ny FEDeP tao anatin’ny komitin’ireo manampahaizana namolavola ny lalàna velona momba ny fampihavanam-pirenena na koa ireo komity hisafidy ireo mpikambana 22 handrafitra ny CFM, araka ny fanazavana. Takian’ireo gadra politika kosa noho izany ny tsy maintsy hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena mialoha ny fifidianana amin’ny taona 2018. Tompon’andraikitra feno amin’ny tranga mety hiseho moa ny fanjakana raha miziriziry hanao fifidianana tsy hampihavana ny samy Malagasy, hoy ny filohan’ny fikambanana Rakotomalala Henri.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.