Politique

Maninday Toliara Manome 48 ora ny FAT ny mpianatra


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011


 Navotsotry ny mpianatry ny oninversite ny alin’ny sabotsy 30 jolay teo, ireo olona efatra ambiny tamin’ireo fito, nataon’izy ireo takalon’aina tao Maninday hatramin’ny alakamisy 28 jolay. Fantatra io taorian’ny fivoriana nandritra ny adim-pamantaranandro efatra tao amin’ny Lapan’ny Faritra Atsimo Andrefana, niarahan’ny praiminisitra Camille Vital notronin’ny  minisitry ny fanabeazam-pirenena Jean Jacques Rabenirina, tamin’ireo tompon’andraikitra tao Toliara sy ny solontenan’ny mpianatra, handaminana an’ity raharaha ao Maninday ity. 

Miziriziry amin’ny fangatahany ny mpianatra, dia ny hanalana amin’ny toerany ny filohan’ny oniversite, ny hanafoanana ny CODIS izay nahavoa mpianatra sady mpanakanto iray ao an-toerana ary ny resaka sara-pisoratana anarana lafo loatra araka ny fahitan’ny mpianatra azy. Tsy nisy vahaolana hentitra, fa dia hoentina aty Antananarivo ny fandinihana azy. Rehefa izay dia nilaza ireo mpianatra fa miandry ny minisitry ny fampianarana ambony hidina any an-toerana, ary manome 48ora azy ny mpianatra hamaha ny olana. Niato ny fitokonana, saingy tsy mbola misy fianarana mandeha kosa ao Maninday, ato anatin’io 48ora io.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT