Politique

Mangina ny fampielezan-kevitra Tsy hita izay ho kandida ben’ny tanŕna


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Ny fivoriana etsy sy eroa ataon’ireo mpanomana ny fifidianana ho avy eto amintsika sisa no hahalalana fa misy izany fifidianana izany, raha ny ao Toamasina no resahina.

Mikatso tsy mandeha ny propagandy na dia miezaka ny mihogahoga eran’ny tanàna aza ny fiaran’ny KME, mangina tsy ahitan-teny kosa ny eo anivon’ny KMT sy ny KTM, ireo te hilatsaka ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina aza tsy hita tabilao hatramin’izao. « Adidy tokoa no mifidy ary milaza ny fahalalana sy fahafahan’ny olom-pirenena amin’ny fanehoana ny heviny ny fifidianana. Tsy taitra amin’izany anefa izahay vahoaka satria ny sakafo hohanina andavanandro sy ny fitadiavana izao no mahamaika fa tsy izao abobo sy lainga rehetra afafy etsy sy eroa izao ». Izay no nambaran-dRanaivo raim-pianakaviana, raha nanontaniana mikasika ny fifidianana ho avy.

Ny ministry ny mponina Rtoa Nadine Ramaroson nandalo tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo aza nilaza fa « inona tokoa moa no handeha eto Toamasina momba ity fifidianana ity, nefa ny fisaritahana amin’ny ady tany sy fakana an-keriny tanin’olona aza, manao ny ataony ny mpanam-bola, tsy mihetsika sy mpiray tendro amin’ny mpanao ratsy ny olom-boatendry samy hafa, tsy mahavaha olana ny fitsarana tokony hiaro ny malemy ; rariny ny an’ny vahoaka raha ny tsy rototra izy, ny olana mianjady aminy aza efa manempotra ny ainy sy ny taranany ary tsy misy mpijery ». Ho an’ireo te ho ben’ny tanàna kosa, dia tsy misy na iray aza nametraka antontan-taratasy milaza ny filatsahan-kofidiany.

Raha nanontaniana ireo te ho kandida hatramin’izay sy efa nitonona tamin’izany ireo, dia fialana bala hatramin’izao aloha ny hoe «  tsy mazava ny lalàna mifehy ny filatsahan-kofidiana, ary raha tsy namoaka ny didiny koa ny filankevi-panjakana taorian’ilay fitorian’ny fikambanana ben’ny tanàna iny, dia mbola miantona aloha ilay didy hitsivolana milaza ny filatsahan-kofidiana momba ity resaka ben’ny tanàna ity » . Dia samy miandry izay ho vokany izany izao, afaka 10 andro ny fampielezan-kevitra, afaka iray volana sy tapany ny fifidiana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT