Tsy mahavita ny andraikiny ny antenimiera eto amintsika raha jerena amin’ny fiainam-pirenena.
Mirona any amin’ny fitadiavan-tombontsoa ka adino ilay andraikitra nankinina taminy. Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ohatra, no nisy vaovao nivoaka fa mitaky fiara 4x4 indray ny solombavambahoaka. Mitomboka foana ny karama isam-bolana saingy ny asa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ary maro no tsy mahalala akory ny asan’ny antenimiera. Mahatratra 63 ny loholona eto amintsika ary mikarama 3 tapitrisa ariary eo ny iray ka manome 189 000 000 Ar isam-bolana izany ny karaman’ny rehetra isam-bolana raha atao ny kajy tsotsotra. Raha kajiana ho 3 tapitrisa ohatr’izay ihany koa ny an’ny solombavambahoka miisa 151 dia manome 453 000 000Ar isam-bolana. Tsy tafiditra ao anatin’izany ny karaman’ireo kabinetra sy ny mpamily ary ny resaka solika izay mety ho avo roa na telo heny noho ireo. Ny tany Sénégal izay firenena mbola manana harin-karena ambony noho isika izao dia nofoanany tamin’ny volana septambra teo ny antenimierandoholona satria vesatra ho an’ny fanjakana ny fandoavana ny karaman’izy ireo sy ireo tombontsoa maro hafa. Ankehitriny, mirehareha ny filohany, Macky Sall milaza hoe nofoanako ny antenimierandoholona ary nampiasaiko tamin’ny fanorenena toby famokarana herinaratra ny vola tokony holaniana amin’io andrim-panjakana tsy dia mahavita na inona inona io satria tsapako fa mila izany ny vahoakako. Aiza ho aiza amin’izany ny Filoha Malagasy? Hanaiky ny toy izany ve ireo mpikamban’ny antenimiera eto amintsika mba ho tombontsoan’ny vahoaka ? Raha ny hevi-bahoaka no harahina dia lany 100% io hevitra io ary tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ny fandravana ireo andrim-panjakana ireo ka hanaovana zavatra goavana hanasoavana ny fiainam-bahoaka ny vola tahiry azo avy amin’izany.Sao dia tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka e ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.