Rehefa tsy naharenesam-peo am-bolana dia naneho hevitra momba ny fahitany ny raharaham-pirenena ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisampirenena.
Toy ny mahazatra dia henjana dia henjana ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny fikambanana Lalatiana Ravololomanana. Nambarany fa mivaona tanteraka amin’ny hetsi-bahoaka ny fitondran’ny FAT ankehitriny izay mampahory sy mampisara-bazana ny Malagasy, eny hatramin’ny tafika mihitsy aza ankoatra ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Nasiany resaka manokana ny «bois de rose» izay nanambaran’i Lalatiana Ravololomanana fa mitady izao fomba rehetra izao ny mpitondra FAT hanaronana ity trafika mahasaringotra ny maro amin’izy ireo ity amin’ny alalan’ny fananganana ny vaomiera manokana, ny tribonaly manokana ary ny fanaovana ho sorona ireo olona ambany toy ny mpiasan’ny fadintseranana.
Mitaky ny mangarahara amin’ity raharaha andramena ity koa ny Manda ho an’ny Firaisampirenena misy tomponandraikitra ambony ao amin’ny FAT notononin’ny mpandraharaha sinoa iray ho miray tsikombakomba aminy amin’ny famoahana ireo hazo sarobidy ireo any ivelany, araka ny horonantsary notontosain’ny fahitalavitra vahiny teto tamin’ny taona 2009. «Raha tena madio tanana amin’io ianao dia ampahafantaro ny marina, indrindra momba io mpandraharaha sinoa io ?», hoy i Lalatiana Ravololomanana nametraka fanontaniana miantefa amin’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT.
Nisongadina tamin’ny lahateny koa ny antso avo ataony amin’ny mpanao politika malagasy mba hampitsahatra ny fikatsahana tombontsoa manokana sy ny fitiavan-tseza ka hanohana ny fampihavanam-pirenena izay nijoroan’ny profesora Zafy Albert hatramin’ny taona 2002. Tsy misy firenena vanona sy marim-pototra, hoy izy raha tsy mihavana ny vahoaka. Momba ny tondrozotra izay ambara fa hosoniavina ato ho ato indray dia nambarany fa mila fantarina aloha izay fanitsiana ampiana amin’io sori-dalana io mba tsy hihinana ambolony.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.