Politique

Manasazy ny Vondrona Afrikanina : Hanampy ny FAT ny Frankôfônia


  • Talata 23 Martsa 2010

«Sazin’ny Vondrona Afrikanina fa tsy sazy avy amin’ny Frankôfônia, no nilatsaka tamin’ireo mpitondra malagasy, tokony hikaroka vahaolana hafa isika fa tsy ho variana amin’izany satria naharitra ela loatra ity krizy ity … ka tokony ho ny vahoaka no avela hanapa-kevitra amin’ny alalan’ny fifidianana izay hotanterahana faran’izay haingana».

Io no anisan’ny tenin’i Abdou Diouf, Sekretera jeneralin’ny frankôfônia na OIF raha nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI izy ny alahady alina teo. Raha adika tsotsotra ny fanambarany dia tahaka ny hoe tsy mbola hanasazy ny mpitondra eo anivon’ny FAT ireo firenena mpikambana eo anivon’ny OIF, ary tsy mivaky loha amin’io fehin-kevitra navoakan’ny Vondrona Afrikanina io mihitsy. Tahaka ny tsy misy izany ny sazy amin’ny Vondron’ny tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay ny sazy nahazo ireo olona 109 mianadahy, izay nivoaka ny 17 martsa teo, ary mety ho izay ihany koa no nahatonga ireo mpitondra izay nanontaniana nilaza fa tsy matahotra sazy ry zareo. Tsikaritra tamin’ity fanambarana nataon’i Abdou Diouf tao amin’ny RFI ity ihany koa, fa mankasitraka ny fanatanterahana fifidianana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny Frankôfônia. Ry zareo rahateo dia efa nilaza fa vonona ny hanampy ara-pitaovana sy handefa mpanara-maso raha vao nilaza ny FAT, tamin’ny faramparan’ny taona 2009 fa hanao fifidianana.

Efa azon’ny mpanara-baovao politika tsindrimandry ihany ity fanambarana ity satria ny Frantsay no ao ambadiky ny Frankôfônia, izay fikambanana nolazaina fa hoe hanome vahana ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny sosialy ary ny fanatanjahantena. Raha dinihana tsara anefa dia fikambanana natsangan’ny Frantsay mba hahafahany mifehy ireo zanataniny teo aloha, amin’ny endriny hafa ny OIF. Anisan’ny sarotra kosehana mantsy ny fanjanahana ara-tsaina, izay tena talentan’ireo mpitondra frantsay nifandimby. Efa nisava lalana mialoha ny nivoahan’izao fanambaran’ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia izao moa ny filazana fa mety hisy firenena afrikanina tsy hanaiky ny hampihatra ilay sazy, ka anisan’ny voatonona tao anatin’izay i Sénégal. Marihana fa filoham-pirenena Senegaley mialoha ny naha voatendry azy hitantana ny OIF i Abdou Diouf, ary anisan’ireo filoha Afrikanina naharitra dia naharitra teo amin’ny fitondrana. Nametraka sy nikolokolo ny tambazotran’ny Frantsafrika ihany koa izy hatramin’izay ka hatramin’izao. Miezaka amin’ny fomba rehetra ny hanavotra sy hanohana an’i Andry Rajoelina sy ny tetezamitan’olon-tokana tarihany i Frantsa, ary vonona ny hanampy ara-torohevitra sy ara-teknika ary ara-bola. Tsy mahagaga raha hampiditra miaramila tsikelikely eto koa ny Frantsay sy ireo mpiara-dia aminy atsy ho atsy … raha toa ka matoritory sy variandriana ireo ao amin’ny ankolafy 3 izay mijoro ho manohitra ny FAT, hatramin’izao aloha !
 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT