Politique

Manantsoa Victor “Lozabe ny fijanonan’io fitondrana io eo !”


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia milaza ny filoha mpiara-mitantana ny vovonana firaisankina ho an’ny fanavotam-pirenena,

Manantsoa Victor fa lozabe ho an’ny firenena ny mbola hijanonan’ny fitondrana ankehitriny eo amin’ny toerany. Araka ny nambarany dia miha ratsy ny toe-draharaha ary efa tsy zakan’ny filoham-pirenena intsony ny mifehy azy. Mampalahelo ny fanakanana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara izay tokony ho natao teny Mahamasina tamin’ny sabotsy. Ben’ny tanànan’Antananarivo i Lalao Ravalomanana ka tsy mahagaga raha i Mahamasina no nofidiany omena amin’ny fankalazana ny fety. Resaka demokrasia izany ary tokony halalaka amin’ny fanehoan-kevitra ny rehetra. Tsy mety intsony, hoy izy, ny hijanonan’izao fitondrana izao eo amin’ny toerany ary efa maro ny hetsika politika manohitra izany ary afaka hitambatra. Ankoatra anay sy ny Force de changement, hoy ny tenany, dia efa henonay koa fa miaraka amin’ny fiombonamben’ny eveka sy ny FFKM ny ao Fianarantsoa.


 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT