Politique

Manandafy Rakotonirina “Tetezamita aloha vao Repoblika !”


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011


 Kabary politika no nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM sady mpiara-mitarika ny ankolafy Ravalomanana, Manandafy Rakotonirina tao amin’ny Magro ny sabotsy teo. Tamin’izany no nilazany fa «tetezamita aloha vao Repoblika !», izay karazan’ny valin-teny miendrika fanazavan-tsaina ihany manoloana ny filazana totoafo ataon’ny FAT tato ho ato fa hiroso amin’ny fifidianana ary hosoniavina ny sori-dalana. Nasian’i Manandafy Rakotonirina tsindrimpeo fa dia eo amin’ny dingan’ny fametrahana ny tetezamita tena izy izao i Madagasikara, ka rehefa tomombana izay vao mieritreritra fifidianana. Fa mikasika ilay fanasoniavana sori-dalana indray dia nambaran’i Koto fa tsy manome fahefana ny mpanongam-panjakana ilay sori-dalana tena izy. Taorian’izay dia kisarinteny no nilazan’i Manandafy fa tonga izao ny fotoana hanavahana ny vary amin’ny tsiparifary. Misy fifampifehezana, hoy izy, ny olon’i Marc Ravalomanana fa tsy manandra-tena na mandeha irery. Nanamafy ny voalazany i Zafilahy Stanislas, fa tapitra hatreo ny momba ireo be palitao. Tsy avelanay hodidinin’ny amboadia intsony i Marc Ravalomanana, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT