Niteraka resabe ny fanambaran’ny foloalindahy ny talata 14 jona teo momba ny hevitr’izy ireo manoloana ny fanambaran’ny Sadc tany Sandton Afrika Atsimo.
Ho an’i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM dia heveriny fa mila fampihavanana ny eo anivon’ny tafika hampiraisana azy ireo raha tsy izany ho sarotra ny fitantanana ny firenena. Adihevitra eto amin’ny firenena ny hoe : ny foloalindahy sy ny demokrasia, hoy izy. “Ny zava-misy eto dia tafika manompo an’i Andry Rajoelina”, hoy ihany izy. “Tsy mitombina intsony ilay hoe “foloalindahy ho an’ny tanindrazana”, araka ny fanazavany ihany satria ny firehana politika sy ny vola no mibaiko azy ireo, izany hoe nosihosen’izy ireo ilay hoe : “tanindrazana”. “Efa tapitra ny carrière de commandement an’ireo. Ireo no hanapotika ny tafika Malagasy. Aiza no asiana azy ireo ?”, hoy ihany Manandafy Rakotonirina manoloana ireo komandy nanao fanambarana. Ankoatra izay dia ambaran’i Manandafy Rakotonirina fa efa talohan’ny dinika tany Gaborone no niteny ny tenany fa misy olana eo amin’ny resaka amnistian’ny tafika.
Olana eo anivon’ny tafika ohatra ny momba ireo mpiambina ny filoha Ravalomanana na ny GP izay nilentika teny amin’ny BANI, ankilany koa ny Capsat izay mpanohana an’i Andry Rajoelina izay nilentika koa. Misy dikany lehibe iny raharaha BANI iny, raha ny fandinihan’ity mpanao politika ity. Nipoaka ny basy, hoy izy, fa tsy nisy maty na naratra satria nisy ny fanelanelanana izay niantsorohana manamboninahitra am-polony notarihin’ny Cemgam ankehitriny. Nisy nikasa hanapotika ny Capsat sy ny GP tamin’ireny, hoy izy, fa tsy tanteraka izany. Etsy andanin’izany rehetra izany, hoy ihany izy nanohy ny fanazavany, hopotehina ireo miaramila voasambotra. Hahetry ny gradiny, hotapahana ihany koa ny karamany. Raha tsiahiviko anefa, hoy i Manandafy dia tsy niharan’izany ny kolonely Théophile sy Zaka Be niaraka tamiko satria nampiharina tamin’izy ireo izay tapaka nandritry ny “Assises militaires” teny Ivato. Fanontaniana àry no apetrak’ity raiamandreny ity hoe hatao aiza sy hatao ahoana avokoa ireo be dia be mbola tavela any am-ponja any ?
Raha ny fahitan’ny filoha nasionalin’ny MFM azy àry dia tokony hampidirina anatin’ny antontan-kevitra hivoahana amin’ny krizy ny amnistia ho an’ny miaramila fa tsy ny sivily fotsiny. Mila hajoro, araka izany, ny komity mpanelanelana handamina hisiana fitoniana eo anivon’ny tafika. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’i Koto ihany dia mila mihaona sy miresaka i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Dia mbola fanontaniana moa no apetrany ny amin’izay fomba hisian’izay fifanatonana izay, sa ve isika, hoy izy, vonona hizotra ho amin’ny ady an-trano ? Ankoatra izay rehetra izay, momba ny ho tohin’ny toe-draharaham-pirenena taorian’iny fanambaran’ny SADC iny dia mety hirotsaka ny sazy, hoy i Manandafy Rakotonirina raha tsy mizotra amin’ny lalana tokony ho izy isika. Raha hijanona ho filohan’izay ho tetezamita eo kosa i Andry Rajoelina, hoy izy dia an’ny ankolafy Ravalomanana ny primatiora satria ireo no tena mpifanandrina. Praiminisitra manana ny fahefana rehetra. Araka izany dia hihena ny fahefan’i Andry Rajoelina. Adihevitra sy dingana vaovao indray no hirosoana manomboka eto.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.